Taratra

Kaominina Antananarivo Renivohitra : nodiovina ny tanàna ao anatin’ny boriborintany V

Ho fanohizana ny asa an­davanandro. Nanatanteraka fanadiovana faobe ny kaomi­nina Antananarivo Renivo­hitra, ao amin’ny boriborintany fahadimy, omaly. Nodiovina ny sisin-dalana sy ny manodidina ny tobim-pako, nalana ireo fasika, ny lobolobo,…. Toy ny eny Tsarasaotra hatreny An­ko­rondrano, rond-point So­diama mihazo ny Marais Masay ary Nanisana hatrany Ambohi­mangakely, rond-point Nani­sana hatreny Mausolé. […]

Atletisma – «Mondiaux 2023» : Nihintsana i Sidonie

Ratsy ny vokatra ho an’i Sidonie Fiadanantsoa, nandritra ny andiany faha-19 hiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja fototra atletisma. Fifaninanana, tanterahina any Nemzeti Atletikai Kozpont, Budapest Hongrie. Nihintsana teo amin’ny fifanintsanana izy, teo amin’ny halavirana 100 m misy fefy, natao ny talata lasa teo. Laharana faha-7 no nisy azy, ary […]

Asa tena : olona manana fahasembanana 25 nahazo mari-pahaizana

Omena sehatra sy ampiana hanana ny asa mahavelona azy ireo olona manana fahasembanana. Anisan’ny nisitraka izany ireo nandalo fiofanana eny amin’ny ivon-toerana Ampandrianomby omaly. Nahazo mari-pahaizana ireo olona manana fahasembanana 25 eny amin’ny ivontoerana natokana ho azy ireo etsy Ampandrianomby, omaly. Nifototra tamin’ny asa tena ny fiofanana. Tamin’ity, fiompiana tantely […]

Tily eto Madagasikara : nampihaona skoto 1 500 ny lalao nasionaly Tendro

1 500 ny tily eto Madaga­sikara mandray anjara amin’ ny lalao nasionaly Tendro. Maharitra hadimiana ny lalao. Tanjona amin’izany ny hano­sika hatrany ny kolontsaina skoto sy hanaovana tombana ny vokatry ny fanabeazana skoto tao anatin’ny telo taona farany, hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitra. Efa nifa­rana ny talata lasa teo ny he­tsika, […]

INDRAY MIJERY

Hisy ny fihaonambe fampivondronana ny mpiasa, karakarain’ny Fiombonamben’ny sendikàn’ny mpiasa malagasy(FSMM), rahampitso, ao amin’ny «Cathé­drale DEGS», oniversiten’Antananarivo. Ny mpiasa mivondrona ao amin’ireo sendikà manerana ny Nosy no mpamokatra sy mampihodina ny firenena ka tsy azo ekena intsony ny fanaovana ankilabao azy ireo. Ny varatraza malefaka no handrafitra ny toetry ny […]