Taratra

Fakana an-keriny: telo lahy voatifitra, avotra ny takalonaina

Rotiky ny bala ny jiolahy mpaka an-keriny telo lahy nandritra ny fifandonana tamin’ny mpitandro filaminana, afakomaly. Tratra ireo mpiray tsikombakomba. Natao hazalambo, sarona ihany ireo jiolahy mpaka an-keriny sy ny namany tao Antsipangalava, fokontany Morarano, kaominina Ambandrika, distrikan’ Ambatondrazaka afakomaly. Nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana ireo mpaka an-keriny nahafaty olona sady naka takalonaina […]

Kitra : vonona handresy an’i Seychelles ny Barea anio

“Manan-danja ny lalao voalohany amin’ny fifanina­nana toa izao. Eo mantsy ny hahitana ny ho herijika. Noho izany, mila fandresena ny Barea”, hoy Rakotondrabe Romual (Rôrô), mpanazatra ny Barea de Madagascar, omaly, nandritra ny fanazarantena farany teny By-Pass. Nambarany fa vonona ireo mpilalao rehetra nantsoina hiatrika ity lalaon’ny Nosy ity. Raha […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina ny 4 septambra izao ny fifidia­nana izay ho filoha vaovaon’ny federasiona malagasin’ny volley-ball, hitantana mandritra ny 4 taona manaraka, araka ny tetiandron’ny FMVB. Fifidianana izay hatao ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Tsy maintsy mahavita fifidianana mialohan’ny 27 aogositra avokoa, araka izany, ny ligy rehetra. Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy omaly, […]

Lalaon’ny Nosy 2023: hahazo valin-kasasarana miavaka izay mahazo medaly

Nifanome fotoana tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, omaly, ireo atleta avy amin’ny taranja 17, mandray anjara amin’ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11. Fotoana nitsofan’ny filohan’ny Repoblika rano azy ireo sy nanomezana ny fitaovana rehetra ilaina. Hanomboka anio, ny andiany faha-11 ny lalaon’ny Nosy. Nahazo tsodrano avy amin’ny filoha Rajoelina Andry, ireo […]