Nanomboka ny volana oktobra 2024, hifarana ny volana avrily ho avy izao, 1,7 tapitrisa ny isan’ny olona tohanan’ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam) ara-tsakafo, ho an’ny faritra Atsimo sy Atsimo Atsinanana. Sakafo 18 500 t sy vola mitentina 6 tapitrisa dolara no notsinjaraina mivantana tamin’ny tokantrano hanampiana azy ireo […]
Taratra
Sakafo: mila mailo amin’ny hazandranomasina
Matetika miseho ny fanapoizinana amin’ny fihinanana hazandranomasina voarara amin’izao vanim-potoan’ny fahavaratra izao. Miseho 2 hatramin’ny 12 ora aorian’ny fihinanana azy ny trangan’aretina. Mety marary an-doha, manakotsako ny vanin-taolana, mivalana sy mandoa ary mety ho reraka ny marary. Mampiavaka ny trangan’aretina kosa ny vatana sy ny rantsam-batana ary ny faritra manodidina […]
Ravan’ny rivodoza ny efitrano fianarana: mpianatra 8 962 tsy afaka mamonjy sekoly
Vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Dikeledi tany amin’ny faritra avaratra, mahatratra 8 962 ny mpianatra tsy afaka manaraka ny fampianarana noho ny antony samihafa, araka ny tatitra navoakan’ny BNGRC. Any amin’ny faritra Diana no be indrindra, miisa 6 436, any Sava: 1 913 ary 613 ny any Analanjirofo. Antony, ny faharavan’ny […]
Atsiranana I-II, Ambilobe, Vohemar: tonga nanatitra fanampiana ho an’ny traboina ny fanjakana
Tsy niandry ela. Avy hatrany dia namonjy ireo olona traboina any amin’ny faritra tena voa mafy vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Dikeledi ny fitondram-panjakana. Kojakoja ilaina andavanandro iatrehana ny fanarenana ny fiainana no laharam-pahamehana amin’izany. Nidina avy hatrany namangy ireo mponina traboina any amin’ny faritra Diana sy Sava ny iraky ny […]
Taratry ny kanto
“En chanson” – misokatra ny fisoratana anarana. Ity ilay fifaninanan-kira amin’ny teny frantsay, karakarain’ ny Alliance Française eto Madagasikara. Tsy hira noforonina akory, fa ireo hira amin’ny teny frantsay araka ny safidin’ny mpifaninana no hataony mandritra izany. Manana hatramin’ny 7 febroary ireo liana, hisoratany anarana eny amin’ny AFT Andavamamba. Tsy […]