Taratra

Fitrandrahana hazo : Miverina ny fanomezanan-dalana

Naato nanomboka ny taona 2019 ny fanomezana fahazoan-dalana mitrandraka hazo teto Madagasikara. Na­nomboka ny 15 febroary, miverina ny fanomezan-dalana. Nanazava ny momba izay ny Talen’ny Faritra arovana sy ny rohivoahary, Ramatoa Ratefason Tojosoa. “Nahatsapa ny fanjakana fa nitohy ny fitrandrahana tsy ara-dalana. Tsy nampidi-bola ho an’ny fanjakana izany. Noho izany, […]

TARATRY ny KANTO

Mbola sarotra hampitan-kafatra sy resena lahatra ny Malagasy. Tsy tsara loatra ny tolotra maimaimpoana ? Manome takalo hasina hatrany ny Ntaolo teo aloha rehefa nahita soa tamin’ny olona iray. Noho ny «fiainana sarotra», ankehitriny. Mandositra sy manalavitra azy io ny tontolon’ny zavakanto amin’ny ankapobeny. Lehibe amin’ireny ny fampianarana ny kolontsaina. […]

Mpanao gazety ara-kolontsaina: Voafidy ho filohan’ny « Sorakanto » i Michaël R.

Tetsy amin’ny «La Cité des cultures» Antaninarenina. Nandritra ny fivoriam-be no­tanterahin’ny fikambanan’ny mpanao gazety mikirakira ny kolontsaina na ny «Sora­kanto», ny sabotsy 21 febroary teo no nanatanterahina ny fifidianana izay hitarika indray ny fikambanana. Voafidy ho filoha tamin’izany Rakotoari­soa Joachin Michaël (Mika). Izy no nandimby ny filoha teo aloha Randriamiarantsoa […]

Teny malagasy : Ahavitana raharaham-pikarohana

Ny sabotsy 21 febroary teo no nanamarihana maneran-tany ny «Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny». Ho an’i Madagasikara, nisy ny hetsika notanterahina tao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, niarahana tamin’ny fikambanan’ny poety sy mpanoratra malagasy Havàtsa-Upem. Ny teny amin’ny Onivesriten’Antananarivo nanehoan’ireo mpampianatra sy mpikaroka eny amin’ny ambaratonga ambony fa ahavitana raharaham-pikarohana ny teny […]