Tontosa afakomaly, tetsy amin’ny Novotel, Ivandry ny lanonana namoahana ny valin’ny fifaninanana RDJ Mozika 2025. Voafidy ho mpanakanton’ny taona, i Denise sy Reko. Toy ny isan-taona, namoaka ny valin’ny fifaninana RDJ Mozika 2025, ny RDJ 96.6 Fm. Voafidy ho «Mpanakanton’ny taona 2025» teo amin’ny sokajy vehivavy i Denise raha ny […]
Taratra
FANTINA sy FINTINA
Notendren’ny Papa Léon XIV ho evekan’i Port Victoria atsy Seychelles ny mompera Rasamison Landry Philippe. Pretra relijiozy avy amin’ny Ordre des Frères mineurs capucins (OFMCap) izy ary Malagasy voalohany voatendry ho eveka any amina firenena ivelan’i Madagasikara. Tsiahivina fa nohamasinina ho pretra ny taona 2000 ny tenany. Mavitrika amin’ny fisoratana […]
Fiahiana ny traboina any Toamasina : Mampandry fahalemana ny Foloalindahy
Miatrana efa ho telo andro ao Toamasina, manampy ny efa any an-toerana ireo mpitandro filaminana avy aty Antananarivo. Maherin’ny 600 isa izy ireo izao nahetsika izao. Mazava ny toromarika nomen’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, Rajaonarivelo Herintsalama fa tafiditra amin’ny fanamafisana ny fandraisana andraikitry ny fitondram-panjakana izao hetsika izao. Any an-toerana rahateo […]
Masa-bary maito kitoza
Raha ny fandaharam-potoan’ny filohan’ny fanavaozana sy ny vaovao avy any ivelany, hisy ny fihaonana amin’ ny filoham-panjakana malagasy sy ny filoha frantsay, rahampito. Fihaonana izay be mpanaraka tokoa satria handrasana izay tapaky ny roa tonta mandritra ny dinika. Niarahan’ny rehetra nahalala rahateo fa ny fialana ambany vahoan’ i “reny […]
Frantsa sy madagasikara: hihaona ao Paris ny filoha roa tonta
Hihaona amin’ny filoha Frantsay, Emmanuel Macron ny filoham-panjakana, Randrianirina Michaël, rahampitso. Anisan’ny ho voaresaka ny mahakasika ny fiatrehana ny takaitra navelan’ny rivodoza. Hotanterahina rahampitso ny fihaonana eo amin’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël sy ny filoha Frantsay Emmanuel Macron. Fihaonana tanterahina ao amin’ny Lapam-panjakana Elysée. Anisan’ny horesahina ny fiaraha-miasa marolafy […]




