Taratra

“Port secteur III” Antsarakofafa : Hirosoana ny fanesorana ireo mibodo tany

Nidina ifotony nifampiresaka tamin’ny fokonolona voalaza fa mibodo ny tanin’ny Spat ao Toamasina, ao amin’ny “Port sec III” Antsarakofafa, ny OMC ( Organisation mixte de conception) izay nifandrombonan’ny Tafika sy ny polisy ary ny zandary, ny talata 27 mey 2026 teo. Tany voatokana hanaovana tetikasam-panjakana hiantsonan’ny fiarabe mpitatitra entana, manodidina […]

Tsena Petite Vitesse : Nandoro kodiarana, nitokona ireo mpivarotra

Niditra an-tsehatra nandrava ny fitokonan’ireo mpivarotra amoron-dalana eny amin’ny Petite Vitesse ny mpitandro filaminana sy ny ekipan’ny sampana mpamonjy voina, tetsy Soarano, omaly. Naparitaka tamin’ny alalan’ny rano ireo mpivarotra nitokona teny Soa­rano, boriborintany voalohany, omaly. Naneho ny tsy fankasitrahany manoloana ny famindrana toerana azy ireo, nilanja sorabaventy, nitsoka kiririoka sady […]

Observateur de la jeunesse : Tokony hamoraina ny fandovana tany

Naneho hevitra ny Obser­vateur de la jeunesse fa tena ady sarotra ny resaka fandovana tanin-drazana eto Mada­gasikara. Maro ny fianakaviana mitaraina satria sarotra ny manatanteraka ny pitsompi­tsony amin’izany. Mifampian­kina nefa ny fampandovana sy ny fampandrosoana ny tanora. Ny 80% ny Malagasy dia mpamboly, kanefa tsy mizaka ny fananany madiodio ny […]

Hamadihana ny fikarohana ho lasa asa: Notokanana omaly ny UniPod, misokatra ho an’ny rehetra

Notokanana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tetsy amin’ny CIDST Tsimbazaza, ny Université d’innovation Pod (UniPod). Teny an-toerana ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël sy ny eo anivon’ny Pnud. Toerana iray hitrandrahana sy hampivelarana ireo tetikasa sy asa fikarohana ho lasa asa iarahana amin’ny sehatra tsy miankina ny UniPod. Hahafahana mamadika […]