Tra-tehaky ny mpitandro filaminana ny dahalo enin-dahy nangalatra omby tao Madirofody, fokontany Lakovola, kaominina Marovoay, ny faran’ny herinandro teo. Nitrangana fandrobana nataon’ny dahalo am-polony tao amin’io tanàna io ny 17 aogositra lasa teo. Nentin’ireo olon-dratsy tamin’izany ny omby miisa folo, tokony tamin’ny 4 ora maraina. Nampandre ny zandary miasa ao […]
Taratra
Mpamono vady : vazaha 80 taona, nosamborin’ny polisy
Nosamborin’ny polisy noho ny fampijaliana vady ny vazaha antitra, efa 80 taona. Tsy vitan’ny mamono an-dramatoa fa mbola mamotika ny entana rehetra ao an-trano. Hatolotra ny fampanoavana anio ilay vahiny 80 taona voarohirohy ho nanao herisetra tamim-badiny. Voasambotry ny polisy tao Toamasina omaly maraina tamin’ny 9 ora izy noho ny […]
Mpanazatra Radafison Jimmy: « Mbola ho sarotra ny lalao miverina »
Nigadona omaly, tetsy amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny ekipa malagasy Elgeco Plus. “Mbola sarotra ny lalao miverina, hatao etsy Mahamasina, ny 27 aogositra ho avy izao, saingy hiezaka ny hampitombo avo roa heny ny zava-bita tany Botswana ny Elgeco Plus”, hoy Radafison Jimmy, mpanazatra ny Elgeco Plus, tamin’io fotoana io. Nilaza […]
SOMBIM-BAOVAO
Nigadona, omaly, teny Ivato, ireo Seyseloa mpilalao baolina kitra hihaona amin’ny Barean’i Madagasikara. Marihina fa hifandona etsy amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina ny alakamisy 24 aogositra ho avy izao, izy ireo. Tsara marihina fa Malagasy ny mpanazatra an’i Seychelles, Bruno Saidina. Tonga nitsidika ireo atleta mpikatroka ny taranja tolona ny solombavambahoakan’ny […]
Golf – « Inter-îles 2023 »: hanomboka anio ny fifaninanana
Hotanterahina manomboka anio hatramin’ny 25 aogositra, eny amin’ny Golf du Rova Andakana, ny fifaninanana “Golf Inter-îles 2023”. Miisa dimy ireo firenena mandray anjara amin’izany. Anisany i Madagasikara, mpampiantrano, i La Réunion, i Maurice, i Mayotte ary i Seychelles. Marihina fa ny Golf, voasokajy anatin’ireo taranja fampirantiana mandritra ny lalaon’ny Nosy […]




