Taratra

Jeneraly Ravelonarivo Angelo: «Tsy azo ekena ny fanakorontanana»

Mbola nanamafy indray ary hentitra ny eo anivon’ny prefektiora, omaly, manoloana izao toe-draharaham-pirenena izao. “Tsy azo ekena ny fanakorontanana fa tany tan-dalàna isika. Tsy eken’ny lalàna ny fanaovana hetsika ivelan’ny voalazan’ny lalàna”, hoy ny Prefet de police, Antana­narivo, ny Jly Ravelonarivo Angelo. Nanteriny fa efa eo ny Fitsarana misahana ny […]

Minisitra Andriantsitohaina Naina: «Ho taonan’ny asa sy filaminana ny 2025»

Nanao rodombe tetsy amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) ireo governoran’ny faritra sy ny talem-paritra manerana ny Nosy. Napetraka tamin’izany ny tanjona sy ny fanamby hiatrehina ny asa amin’ity taona ity. Nirary soa ny minisitra Andriantsitohaina Nai­na, izy ireo ary nanolotra ny solombodiakoho amin’izao fahatongavan’ny taona vaovao […]

Tselatra

Lehilahy iray lasan’ny mpaka an-keriny tao Belavabary, kaominina Begisa, distrikan’i Brieville, ny alatsinainy 13 janoary teo. Novakin’ireo dahalo ny varavarana ka niditra an-keriny tao amin’ilay tokantrano izy ireo. Nentiny nanaraka azy io lehilahy iray io. Nanara-dia ny zandary sy ny fokonolona. Andrasana ny tohin’ny raha­raha. Miaramila matin’ny fitsaram-bahoaka tao Rano­tsara […]

Nifanenjehin’ny UIR: jiolahy dimy maty voatifitra

Jiolahy dimy mpanao fanafihana mitam-piadiana ao Mahajanga tampon-tanàna lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana, omaly maraina tamin’ny 1 ora. Manoloana ny tsy fandriampahelamana niseholany tao amin’ny fokontany maromaro ao an-toerana, niara-niasa ny polisim-pirenena sy ny mponina. Nanao fisafoana tampoka teny amin’ny Gradin Mahavoky ny solontenan’ny polisin’ny UIR. Nifanena tamin’ny olon-dratsy izy ireo. […]

Mpivarotra solika hosoka: roa lahy tratran’ny zandary tao Toamasina

Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny sampana fi­karohana heloka bevava Toamasina, ny 13 janoary 2025 hariva, ireo roa lahy voarohirohy ho tompon’antoka amin’ny fanamboarana sy fivarotana solika mitapoka asidra. Teo am-panaovana izany, tao amin’ny fokontany Mangarano, miaraka amin’ ireo fitaovana fampiasan’izy ireo no tratra izy roa lahy ireto. Nahitana solika […]