Taratra

TARATRY ny KANTO

Mbola sarotra hampitan-kafatra sy resena lahatra ny Malagasy. Tsy tsara loatra ny tolotra maimaimpoana ? Manome takalo hasina hatrany ny Ntaolo teo aloha rehefa nahita soa tamin’ny olona iray. Noho ny «fiainana sarotra», ankehitriny. Mandositra sy manalavitra azy io ny tontolon’ny zavakanto amin’ny ankapobeny. Lehibe amin’ireny ny fampianarana ny kolontsaina. […]

Mpanao gazety ara-kolontsaina: Voafidy ho filohan’ny « Sorakanto » i Michaël R.

Tetsy amin’ny «La Cité des cultures» Antaninarenina. Nandritra ny fivoriam-be no­tanterahin’ny fikambanan’ny mpanao gazety mikirakira ny kolontsaina na ny «Sora­kanto», ny sabotsy 21 febroary teo no nanatanterahina ny fifidianana izay hitarika indray ny fikambanana. Voafidy ho filoha tamin’izany Rakotoari­soa Joachin Michaël (Mika). Izy no nandimby ny filoha teo aloha Randriamiarantsoa […]

Teny malagasy : Ahavitana raharaham-pikarohana

Ny sabotsy 21 febroary teo no nanamarihana maneran-tany ny «Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny». Ho an’i Madagasikara, nisy ny hetsika notanterahina tao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, niarahana tamin’ny fikambanan’ny poety sy mpanoratra malagasy Havàtsa-Upem. Ny teny amin’ny Onivesriten’Antananarivo nanehoan’ireo mpampianatra sy mpikaroka eny amin’ny ambaratonga ambony fa ahavitana raharaham-pikarohana ny teny […]

RDJ Mozika 2025 : « Mpanakanton’ny taona » i Denise sy ny tarika Reko

Tontosa afakomaly, tetsy amin’ny Novotel, Ivandry ny lanonana namoahana ny valin’ny fifaninanana RDJ Mozika 2025. Voafidy ho mpanakanton’ny taona, i Denise sy Reko. Toy ny isan-taona, na­moaka ny valin’ny fifaninana RDJ Mozika 2025, ny RDJ 96.6 Fm. Voafidy ho «Mpanakanton’ny taona 2025» teo amin’ny sokajy vehivavy i Denise raha ny […]

FANTINA sy FINTINA

Notendren’ny Papa Léon XIV ho evekan’i Port Victoria atsy Seychelles ny mompera Rasamison Landry Philippe. Pretra relijiozy avy amin’ny Ordre des Frères mineurs capucins (OFMCap) izy ary Malagasy voalohany voatendry ho eveka any amina firenena ivelan’i Madagasikara. Tsiahivina fa nohamasinina ho pretra ny taona 2000 ny tenany. Mavitrika amin’ny fisoratana […]