Nisehoana lozam-pifamoivoizana naharatrana olona indray tetsy Ambatoroka, manoloana ny daba fanariam-pako, ny sabotsy alina, tokony tamin’ny 11 ora latsaka fahefany. Raim-pianakaviana tokony ho 50 taona, naratra mafy voadonan’ny moto marika Sym Jet Power, miloko mainty sy volomboasary, teny an-toerana. Nandeha an-tongotra tamin’ny sisin-dalana izy io, no voafokan’ilay moto ka nianjera […]
Taratra
Soavimasoandro: Olona efatra voasambotra noho ny halatra moto
Mitombo hatrany ny olona voasambotry ny polisy mahakasika ny halatra kodiaran-droa eto Antananarivo sy ny manodidina. Tao anatin’ny roa andro, ny zoma 20 febroary sy ny sabotsy 21 febroary lasa teo, miisa efatra ireo olona voasambotra. Tratran’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria Analamahitsy, tetsy Soavimasoandro, ny zoma lasa teo, ny […]
Ambohimanambola : Tovolahy hita faty tao anatin’ny ranon’ikopa
Natelin’ny ranon’Ikopa ny tovolahy iray izay hita faty afakomaly. Nilomano teo akaikin’ny hotely iray eny Ambohimanambola izy no tra-doza. Tovolahy iray 22 taona, hita faty natsingevan’ny reniranon’Ambohimanambola, afakomaly tamin’ny 10 ora maraina. Nilomano sy nilalao rano izy sy ny namany tamin’ny zoma atoandro lasa teo. Lasa teny amin’ny toerana lalina […]
Gymnastique rythmique : Mizara traikefa eto i Isabelle de Cossio
Mpanazatra malagasy 10 mianadahy no miatrika fiofanana eo amin’ny taranja “Gymnastique rythmique”, eny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, nanomboka ny alakamisy 19 febroary lasa teo hatramin’ny alahady 22 febroary izao. Ny manam-pahaizana avy amin’ny federasionina iraisam-pirenena ny “gymnastique”, i Isabelle de Cossio no mizara ny traikefany, izay efa fanintelony izao izy […]
Pureplay Football League : Hitazona ny toerany ny Disciples FC sy ny Cosfa
Hotontosaina ny faran’ny herinandro ho avy io ny andro fahafito amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra “Pureplay Football League (PFL)”. Hanamafy ny toerana amin’ny maha voalohany azy, amin’ny faran’ny herinandro, ny Disciples FC Vakinankaratra, manana isa 18, mifaninana ao amin’ny Kaonferansy Atsimo sy ny Cosfa miaramila, mitana […]




