Taratra

TARATRY ny KANTO

Kabary sy kilalao malagasy. Nitohy omaly, ary tanterahina isaky ny alarobia, hatramin’ny 13 septambra 2023, ny fampianarana kabary sy kilalao mala­gasy, maimaimpoana, tanterahina manerana ny boriborintany enina eto Antananarivo. Ny kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny alalan’ny DACVC, miaraka amin’ny fikambanana Manda Mpikabary no mikarakara ny hetsika. “Stand Up Comedy”. Tanterahina anio, […]

« Lecture en rire » : tanjon’ny hetsika ny hanabe sy hampiala voly

Tontosa, omaly, teny Am­banidia, tao amin’ny boribo­rintany faharoa ny hetsika, « Lecture en rire”. Hetsika ka­rakarain’ny fikambanana Be Tige sy ny Gasy Stand-Uppers, miaraka amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, amin’ny alalan’ny DACVC. Vaky boky nolaroina hatsikana niarahana tamin’ny mpanao hatsikana ao amin’ny Be Tige sy Gasy Stand Uppers ny he­tsika raha tsiahivina. […]

Jazz@Tohatohabato – « Jazz Kids » : nahatafita hafatra ireo zoky mpilalao jazz

Nosokafana, omaly, tao amin’ny Ivokolo Analakely ny fampisehoana voalohany amin’ny « Jazz@Tohatohabato ». Ireo kilonga voasokajy ao anatin’ny « Jazz Kids » no nanatanteraka izany. Nitendry ny vatamaroafi­tsoka i Mamy Robinson. Ny zanany vavy no ni­hira ny « Manin-te hody ». Nia­katra ny sehatra ry zareo ao amin’ny Jazz Club CGM, ta­zana teny an-toerana i Pépé, […]

« Lalaon’ny Frankôfônia » tany Kinshasa : nahatontosa ny fanambiny ireo mpanakanto

Medaly volamena iray, medaly volafotsy iray. Azo lazaina fa vokatra tsara izany, ho an’ny sokajy zavakanto tamin’ny « lalaon’ny Fran­kôfônia ». Na ireo tsy nitondra medaly nody aza, afaka nirehareha ihany koa… «Hanome izay kanto indrindra avy aty aminay izahay, ho reharehan’i Madagasikara ». Fanamby sy fampanantenana nataon’ireo mpanakanto miisa 20 mahery, nialohan’ny […]