Lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana ny dahalo roa lahy anisan’ireo nanafika mpitrandraka volamena tao Ambatomaranitra, amoron’ny reniranon’i Matsamena, distrikan’i Maevatanana, afakomaly. Nandroba ireo mpitrandraka tao amin’io toerana io ny dahalo telo lahy nirongo basy. Trano maromaro lasibatra tamin’izany. Lahy antitra iray, nodarohan’ireo tsy mataho-tody. Nanapoapoaka basy ireto farany. Raiki-tahotra ny mpitrandraka. […]
Taratra
150 000Ar ny iray : roa lahy nahatrarana sokatra 79 isa
Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ireo roa lahy voarohirohy ho tompon’antoka tamina fanaovana trafikana sokatra. Voasambotra teo am-pivarotana sokatra izy roa lahy afakomaly, teny Ankorondrano. Ny polisin’ny Cybercriminalité no nahasambotra azy ireo. Ny 3 aogositra 2023 lasa teo, naharay fitarainana momba ny fisiana olona manao fanambarana anaty tambajotran-tserasera « facebook » milaza […]
Mpianadahy niady lova : vehivavy maty, nolerana antsy
Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ny vehivavy iray. Notetitetehin’ny anadahiny antsy izy, ny 19 jolay lasa teo. Voalazan’ny mpanao famotorana fa ady lova no antony. Tranga mampalahelo no niseho tao amin’ny fokontany Anjijibe, kaominina Ampasina Maningory, distrikan’i Fenoarivo Atsinanana, faritra Analanjirofo, ny 19 jolay lasa teo. Notetehin’ny anadahiny antsy ny […]
Banky foiben’i Madagasikara : niakatra ny tahan’ny zanabola
Nivory omaly 8 aogositra, ny vaomieran’ny vola ao amin’ ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Tinapaka fa hampiakarina ny tahan’ny zanabola ao aminy ho an’ny bankim-barotra. Niakatra ho 9% ny tahan’ny zanabola ho an’ny fametrahana vola (facilités de dépôt), ary lasa 11% ny tahan’ ny findramam-bola (facilités de prêt marginal). Nahatonga […]
Vaovao tambatra
Tsy fahatomombanana amin’ny tambazotra no nahatonga ny fahatapahan’ny herinaratra, omaly, teto amin’ny faritra vitsivitsy eto an-drenivohitra. Anisan’izany ny tany Ambohidrapeto, Itaosy, Andranonahotra, Analamahitsy, Amboditsiry, Manjakaray, Anjanahary, sns. Tsy tokony hisy intsony ny delestazy. Manodidina ny 3 tapitrisa ny isan’ny orinasa na olona mivelona ao anatin’ny tsy ara-dalàna eto Madagasikara. Manodidina […]




