Miisa 14 isan-kerinandro ny sidina ataon’ny kaompania Kenya Airways eto amintsika, nanomboka ny 1 jona 2023 teo. Sidina mampitohy an’i Nairobi sy Antananarivo izany. Hita fa mihatsara tsikelikely ny fizahantany eto Madagasikara, ary miverina amin’ny laoniny toy ny talohan’ny krizy Covid-19 izany. Manomboka anio 10, 11, 12, 13 aogositra izao, […]
Taratra
Foaran’ny fambolena, fiompiana ary jono : omena tosika mandritra ny foara ireo tetikasan’ny mpianatra injeniera
Notanterahina omaly, teny Tanjombato ny soniam-piaraha-miasa teo amin’ny mpianatra injeniera eny amin’ny polytéchnique Vontovorona sy ny mpikarakara ny hetsika (fia) foara iraisam-pirenena momba ny fambolena sy ny fiompiana. Nisy ihany koa ny fiofanana nataon’ireo mpianatra momba ny teknika sy fahaiza-miteny amim-pahatokiana sy mazava. Mba hahafahana mampihodina sy mandresy lahatra ny […]
Mora manadino
32 taona sahady ! manamarika ny tantaram-pirenena malagasy ny andron’ny 10 aogositra. Andro izay niarahan’ny rehetra nahalala fa namadika ny pejin’ny tontolo politika teto Madagasikara. Nanomboka tamin’izany fotoana izany no voalaza ho demokratika ny firenena satria nisy ny onjam-peo tsy miankina voalohany teto amintsika. Nahazo vahana ny filazana fa malalaka […]
Belemboka sy Belalanda : hitondra fampandrosoana ny tetikasa Base
Tsindriandaona ny mponina any amin’ny kaominina Belomboka sy Belalanda, samy distrika Toliara II, manantena ny hisokafan’ny orinasa Base Toliara. Ho azy ireo, hitondra vahaolana amin’ny tsy fisian’asa sy hampandroso ny faritra ity tetikasa ity. Notsorin’ny ben’ny Tanàna Belomboka, Fiadanantsivita, fa miray feo tanteraka ny mponina any Belomboka, manohana ny fitrandrahana […]
TSELATRA
Tokantrano iray norobain’ny olon-dratsy tao Soavinimerina, kaominiana Ambohimanga Rova, omaly. Lasan’ny olon-dratsy ny finday roa sy zavamaneno iray, tamin’ny 11 ora sy sasany atoandro. Nitsambikina varavarankely ilay mpandroba ka nitsoaka. Fiara tsy mataho-dalana roa nifandona teny amin’ny lalan’i Tsarasaotra, omaly tolakandro. Samy nandeha mafy ny mpamily ka niafara tamin’ny loza. […]




