Taratra

APMF Mahajanga : manan-danja ny aroloza

Nihaona tamin’ny mpiasan’ny Antokon-draharaha misahana ny seranan-tsambo an-dranomamy sy an-dranomasina (APMF) any Mahajanga ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valéry, ny he­rinandro lasa teo. Nanotrona azy koa ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga. Nohamafisiny fa manan-danja lehibe amin’ny fandrindrana ny asa an-dranomasina ny fanajana […]

Faritra Vakinankaratra : nahatratra 561 000 t ny vary vokatra ny taona 2022

Maro ny zava-bitan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) any amin’ny faritra Vakinankaratra, nanomboka ny taona 2019, 2020, 2021 ary ny 2022. Nahatratra 30 ha ny velaran-tany vaovao nohajariana ary 857 ha ny nasiam-panavaozana. Tsy nitsaha-nitombo koa ny voka-bary satria nilan­ja 352 959 t ny taona 2019, niakatra 453 651 t ny […]

Ravalomanana Marc ; “Misy hatrany ny sakantsakana”

“Tena mahagaga, misy hatrany ny fanakantsakanana hatramin’izao”, hoy ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, tamin’ny fivorian’ny antoko tarihiny, teny Faravohitra, afakomaly, manoloana izay heveriny ho sakantsakana mialoha ny fampielezan-kevitra. Raha te hiasa amin’ny fangaraharana sy te hanitsy an’ireo olona zatra ny lalan-dririnina ny tena, milaza mazava tsara: aza mitanila ianareo […]

Fitsidihana any Sava : nomena ny lakilen’ny lavanila Rajaonarimampianina

“Fantatro fa tena mifanara-bintana tokoa izaho sy ny faritra Sava. Henoko ny fitarainanareo momba ny fihariana lavanila”, hoy izy. Nanteriny fa tena potika tanteraka izany amin’izao fotoana izao. Na­metraka fanamby ny hamelomana indray io sehatra io ny tenany tamin’izao fihaonana izao. “Voaraiko ny lakilen’ny lavanila nomenareo ahy…. Ho avy ny […]

Tale Jeneralin’ny CNaPS : « Tanjona ny hamerina ny fahatokisana »

Notanterahina, omaly, teny amin’ny CNaPS Ampefiloha, ny famindram-pitantanana teo amin’ny tale jeneraly mpisolo toerana, Tsaboto Joslina, sy ny tale jeneraly vaovao, Rahaingonjatovo Vimbina. Nanatrika izany Razafimanatsoa Jerison, Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Asa sy ny fampananan’asa ary ny lalàna sosialy sy Randrianasolo José, talen’ny filankevi-pitantanan’ny CNaPS ary ireo solontenan’ny mpiasa. “Laharam-pahamehana ny […]