Taratra

Am-bava homana !

  Mandeha tsara, manaraka ny tetiandro ny savaranonando amin’ny fampielezan-kevitra. Efa eny an-kianja avokoa ny kandidà efa nanambara ampahibemaso ny maha kandidà azy. Toraka izany ny mpanohana aty an-drenivohitra sy ireo nafarana avy any ampita. Samy manana ny paikadiny fa ny itovizany dia mikendry ny tanora, andaniny. Milalao ny faharefoan’ny […]

Fampiroboroboana ny indostria: mitovy vina amin’i Kagame ny filoha Rajoelina

Nitohy tamin’ny fitsidihana toerana samihafa ny dian’ireo delegasiona tarihin’ny filoha Rajoelina atsy Rwanda, omaly. Tsy mifanalavitra ny fomba fijerin’ny roa tonta eo amin’ny fampandrosoana. Anisan’ny nojerena tamin’izany ny faritra manokana ho an’ny toekarena “Zone économique spéciale” ao Kigali, Renivohitra. Mifanandrify amin’ny veliranon’ny filoha ho amin’ny fampiroboroboana ny indostria ho an’ny […]

Tselatra

Tratran’ny polisy teny Ambodinisotry, afakomaly tolakandro, ny jiolahy efatra tratra teo am-panendahana olona. Renim-pianakaviana iray avy nijery fitaovam-pianaran’ny mpianatra teny Isotry no narahan’ireto jiolahy ireto. Efa narahan’ny polisy anefa izy ireo ka noraisim-potsiny.   Jiolahy iray nitondra antsy lavalela no nifanehatra tamin’ny polisy teny Ankasina, afakomaly. Tovolahy enina izy ireo […]

Niditra an-keriny tao an-trano: voasambotry ny polisy ilay mpanolana

Lehilahy nanolan-jazavavy 15 taona nosamborin’ny polisy,  afakomaly.  Niditra an-keriny tao amin’ny efitrano nisy ilay zazavavy izy, tamin’ny 2 ora maraina. Tsy nanampo na inona na inona, nokasain’io mpanolana io hanaovana ny filan-dratsiny avy hatrany ilay ankizivavy. Nesoriny an-keriny ny akanjo teny an-koditry ny zanaky ny tompontrano. Niantso vonjy, nitabataba ka […]

Ambohimanarina: olona fito tratra teo am-pitsindronana héroïne

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny boriborintany fahenina (CSP6) Ambohimanarina, omaly, ireo olona fito (nahitana vehivavy iray) tratra teo am-pitsindronana héroïne na « rôrô ». Teo Andranomena izy ireo no nifanehitra tamin’ny polisy. Mbola variana nidoroka sy nitsindrona ry zareo tamin’io fotoana io. Nisy nahatsikaritra ireto andian-jatovo ireto satria efa matetika no […]