Lehilahy nanolan-jazavavy 15 taona nosamborin’ny polisy, afakomaly. Niditra an-keriny tao amin’ny efitrano nisy ilay zazavavy izy, tamin’ny 2 ora maraina. Tsy nanampo na inona na inona, nokasain’io mpanolana io hanaovana ny filan-dratsiny avy hatrany ilay ankizivavy. Nesoriny an-keriny ny akanjo teny an-koditry ny zanaky ny tompontrano. Niantso vonjy, nitabataba ka ren’ny ray aman-dreniny ilay lasibatra. Raikitra ny fisamborana ilay lehilahy. Niantso mpitandro filaminana rahateo ny fianakavian’ilay zazavavy. 30 taona ity lehilahy nikasa hanolan-jaza ity. Efa nentin’ny polisy atao famotorana izy. Atolotra ny fampanoavana kosa aorian’izay. Tsiahivina, mateti-pitranga ny fanolanan-jaza tato ho ato. Vao ny faran’ny herinandro teo no naiditra am-ponja noho ny fampiharana ny filan-dratsiny tamin’ny mpianatra 7 taona ny talen’ny EPP iray tao Brieville, Andriamena.
Tsiferana R.




