Taratra

Niatontan’ny “balle friperie” : Zaza efa-taona maty roa lahy karohina

Maty tsy tra-drano! nianjeran’ny entana tao amin’ny fiantsonan’ny taksibrosy ny zazalahy iray, omaly. Voalaza fa tandrevaky ny mpampidina entana izany.Roa lahy ifampitadiavana. Nezahin’ireo nanatri-maso nentina namonjy toeram-pitsaboana, tsy tana ny ain’ny zazalahy efa-taona, tao Ankazondrano Fianarantsoa, omaly maraina. “Nampidina entana toy ny mahazatra ireo vatan-dehilahy mpanao izany. Nianjera ny “balle […]

Karate : Atleta roa no mandeha any Maroc

Hotanterahina any Casa blanca Maroc, manomboka ny 14 – 20 aogositra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja karate. “Tsy handray anjara amin’io fifaninanana afrikanina io ny sokajy “sénior” noho ny lalaon’ny Nosy, saingy hisy atleta mianadahy zandriny ho any an-toerana”, hoy Ratefinanahary Emile, filohan’ny Federasiona karate […]

Kitra – « Amboaran’ny Filoha »: hiady ny loka lehibe ireo faritany enina

Hanomboka hiaina lalaom-paritany indray ny Malagasy mpankafy baolina kitra. Hifanintsana eto an-drenivohitra avokoa ireo faritany enina mandray anjara amin’ny “Coupe du Président 2023”. Hotanterahina ny 10 – 20 aogositra ho avy izao, eto an-drenivohitra, ny fiadiana ny amboaran’i Mada­gasikara “Coupe du Président 2023”. Araka ny valandresaka natao tamin’ireo mpanao gazety, […]

Fitsinjovana ny mponin’Antananarivo : nohamorain’ny CUA ny fampidirana jiro sy rano

Anisan’ny tapaka nandritra ny fivorian’ny filankevitry ny tanànan’Antananarivo farany teo fa hamoraina ny fangatahana fampidirana jiro sy rano eto an-drenivohitra manomboka izao. “Azon’ny tompon’ny trano atao ary manana porofo amin’ny fandoavan-ketran-trano ny manao ny fangatahana fampidirana jiro sy rano mialoha ny hanatanterahan’ny avy eo anivon’ny Jirama ny asa”, hoy ny […]