Ambohimanarina: olona fito tratra teo am-pitsindronana héroïne

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny boriborintany fahenina (CSP6) Ambohimanarina, omaly, ireo olona fito (nahitana vehivavy iray) tratra teo am-pitsindronana héroïne na « rôrô ». Teo Andranomena izy ireo no nifanehitra tamin’ny polisy. Mbola variana nidoroka sy nitsindrona ry zareo tamin’io fotoana io. Nisy nahatsikaritra ireto andian-jatovo ireto satria efa matetika no mitsindrona héroïne eo amin’io toerana iray eny Andranomena io. Nidina teny an-toerana ny polisy nanao ny fitsirihana ka voamarina tokoa ny fisian’izy ireo. Mbola nahitana « rôrô »  niaraka tamin’ny fitaovana fitsindronana ireto andian-jatovo ireto, nandritra ny fisavana nataon’ny polisy. Nentina nihazo ny kaomisarian’ny polisy eny Ambohimanarina taorian’izay. Fantatra nandritra ny fanadihadiana fa monina eny Ambohibao, Ambatolampy, Andranomena ary Ampasampito ry zalahy ireto. Efa misy olona mpamatsy zava-mahadomelina mahery vaika azy ireo, raha ny fanazavana nandritra ny famotorana nataon’ny polisy. Hatolotra ny fitsarana ireto voarohirohy ireto aorian’ny fanadihadian’ny polisy.

Jean Claude

Partager sur: