Taratra

Haitarika : miofana any Etazonia i Laza Rabary

Miofana momba ny haitarika any amin’ny oniversiten’i Harvard any Massachussetts- Boston, Etazonia, Razafi­mamonjy Laza Rabary. Tanterahina amin’ity volana aogositra ity izany mba hahazoana ny antsoina hoe “Certificate of leadership excellence (CLE)”. Anisan’ireo mpampiofana eny amin’ny sekoly ambony ho an’ny mpiasam-panjakana Enam ny tenany. Efa mpikambana teo anivon’ny filankevitra siantifika “Conseil […]

Fanatanjahantena sy kolontsaina: novelomina sy omena vahana indray ny Doranga

Fanatanjahantena ifangaroan’ny kolontsaina any Atsimo Andrefana ny Doranga. Fifanandrinana nefa mitondra hafatra ho an’ny rehetra. Novelomin’ny fikambanana Marozatovo, tarihin’i Rhino Soafilira indray ny Doranga, amin’izao fotoana izao, raha efa tany amin’ny fahampanjaka sy hatramin’ny fanjanahantany no nanaovana azy farany. Nambaran’ny mpitarika ny fikambanana fa tena mpiangaly izany ny foko vezo […]

Kitra – Amboaran’ny kaonfederasiona: hanatevina ny Elgeco Plus i Tendry sy i Feno

Mitady ny fomba rehetra hahazoana vokatra tsara amin’ny fiatrehanany ny fiadiana ny amboaran’ny kaonfederasiona, eo amin’ny taranja baolina kitra, ny Elgeco Plus. Nantsoin’i Raux Auguste sy Radafison Jimmy, mpanazatra ny Elgeco Plus, hanatevina azy ireo, i Tendry Mataniah, mpilalaon’ny Disciples FC sy i Feno, avy amin’ny Ajesaia. Araka ny fanazavana […]

Diviziona 2 Nasionaly: resin’ny FC Inate Vakinankaratra ny ASJ FC

Notanterahina omaly, ny andro faharoan’ny fifaninanana «Ligue des Champions 2023», taranja baolina kitra, diviziona faharoa, nasionaly. Tany amin’ireo toerana efatra: Antsiranana, Ambatondra­zaka, Tsiroanomandidy, Toli­ara no nanatontosana izany. Araka ny vokatra voaray, resin’ny solontenan’i Vakinan­karatra FC Inate, tamin’ny isa 3 no ho 1, ny ASJ FC, nihintsana tao amin’ny “Orange Pro […]

DAKA AN-JORONY: Mitaky fiovana sata i Faneva Ima

Tsy mbola ahitana filaminana hatramin’izao ny tontolon’ny baolina kitra malagasy. Tsy miady tsy miady nefa ny kibay an-kelika ihany. Mifampitana hatramin’ny farany ireo mpifanandrina. Andaniny, ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) ary ankilany, Andriantsima Faneva Ima, kapitenin’ny Barea de Madagascar teo aloha, mitarika ny “Collectif des Clubs de Foot-ball Malagasy” […]