Misesy ny famirapiratry ny Malagasy mpanakanto, eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Taorian’i Richianny Ratovo sy Fitiavana Ratovo, tany amin’ny lalaon’ny Frankôfônia, nisongadina tany Berlin ihany koa i Do-B Rasolofoarison. Tompondaka maneran-tany amin’ny BeatBox, sokajy «Vocal Scratch» mantsy i Do-B ! Tontosa omaly alina, tao amin’ny Stade Huxleys Neue Welt ao Berlin […]
Taratra
« Manal’azy tanora zokiny » : afa-po tamin’ny seho ny rehetra
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny anoloan’ny Gara Soarano, ny fampisehoana «Manal’azy tanora zokiny» niaraka tamin’i Olombelo Ricky. Seho nihaon’ny mpankafy ity tarika ity indray tamin’ny mpankafy azy. Maro ny mpankafy tonga teny an-toerana niara-paly sy nikorana. Nandritra ny fampisehoana, nisy ihany koa ny fandraisan’anjaran’ny tarika Tsimihole. “Henika sy tretrika […]
30 taona an-tsehatra : nanolotra seho miavaka ho an’ny mpankafy i Nanie
Nifanome fotoana, niaraka nianoka ny hiran’i Nanie, ireo mpankafy azy. Seho miavaka sy mendrika ny faha-30 taona nihirana no natolotr’i Nanie ny mpijery tonga teny amin’ny CCEsca, omaly. Tontosa omaly, teny amin’ny CCEsca Antanimena, ny fampisehoana niarahana tamin’i Nanie. Seho nankalazana ny faha-30 taona niakaran’ity mpanakanto ity an-tsehatra. Mpanakanto maro […]
Asa tanana mbola vitsy mpanao: azo avadika ho haingon-trano miavaka ny taretra
Hanamboarana gony sy fitafy ny vokatra vita amin’ny taretra hatramin’izay. Efa maro ireo olona mamokatra izany amin’ny endriny maro toy ny haingon-trano maro samihafa. Madinika tokoa nefa tena ilaina eo amin’ny fiainana andavanandron’ny olona ny taretra. Azo hanamboarana gony, kitapo, lamba fitafy ary zavatra maro samihafa amin’ny endriny isan-karazany izany ankehitriny. Mampiasa taretra maro mandritra izany mba hahavitana […]
FANTINA sy FINTINA
Haneho ny heviny momba ny fifidianana Razafinjoelina Tahina. Hanambara ny vina ho an’i Madagasikara sy hiresaka momba ny fiainam-pirenena anio ilay mpandraharaha, Razafinjoelina Tahina. Mpampianatra sy mpitantana orinasan-tserasera izy. Arahina amin’ny fahitalavitra tsy miankina, maromaro izany fanehoan-keviny izany. Tombanana fa mety ho kandidà filohan’ny Repoblika ny tenany. Efa betsaka ireo […]




