Mandray anjara mavitrika anatin’ny fifaninanana nasionaly ho an’ny mpiasam-panjakana, ny Governemanta. Nandresy tamin’ny taranja Volley sy basikety izy ireo, omaly. Notontosaina tao amin’ny kianja mitafon’i Soavita Toamasina, ny lalao ara-pirahalahiana, taranja Volley sy Basikety, nifanandrinan’ny Governemanta sy ny Faritra Atsinanana. Nanao pao-droa ny ekipan’ny praiminisitra, Ntsay Christian, izay nahazo fandresena […]
Taratra
Lomano – Lalaon’ny Nosy : hitohy eto Antananarivo ny fampivondronana
Anio no hiakatra aty Antananarivo ny ekipam-pirenena malagasy, hanohy ny fampivondronana, tafiditra amin’ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy 2023, taranja Lomano. 22 mianadahy (10 vavy sy 12 lahy) izy ireo, ka 2 ihany no mpila ravinahitra dia i Gervois Noa, izay efa eto an-toerana sy i Nomena Jauslin, izay ho tonga […]
Handball – “IHF Trophy Continental” : hifanandrina amin’i Côte d’Ivoire i Madagasikara
Hotanterahina manomboka rahampitso 8, hatramin’ny12 aogositra ho avy izao, any Abidjan Côte d’Ivoire, ny fifaninanana iraisam-pirenena “IHF Trophy Continental”, taranja HandBall, vehivavy. Araka izany, ny mpampiatrano Côte d’Ivoire no hifanandrina amin’ny ekipam-pirenena malagasy, Akio de Madagascar, sokajy “junior”. Raha tsy misy ny fiovana, hanomboka amin’ny 7 ora hariva ora eto […]
Lalaon’ny Frankôfônia : laharana faha-13 i Madagasikara
Nifarana, omaly, tany Kinshasa RD Congo, ny lalaon’ny Frankôfônia. Laharana faha-13 amin’ny firenena 37 nandray anjara i Madagasikara. Medaly miisa 9 no norombahin’ny Malagasy, nandritra ny andiany faha-9, lalaon’ny Frankôfônia, notanterahina tany Kinshasa RD Congo, ny 28 jolay hatramin’ny 6 aogositra lasa teo. Medaly volamena, azon-dRasoanaivo Razay Laura, taranja Judo, […]
TARATRY ny KANTO
Kanto Manabe. Tanterahina eny amin’ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo, mandritra ity volana Aogositra 2023 ity, ny fampirantiana sary, karakarain’ny Sekolin’ny Sary, miaraka amin’ny Kaominina Antananarivo renivohitra, amin’ny alalan’ny DACVC. Ankizy sy Tanora, manodidina ny 15 taona no mampiranty ny sanganasa sy ny talentany amin’izany. “Salon des jeux de société”. Tanterahina eny amin’ny […]




