Taratra

Fihaonan’ny filoha Rajoelina tamin’i Kagame ; “Ilaina ny fananana vina sy ny fitiavan-tanindrazana”

Noraisin’ny filohan’i Rwanda, Paul Kagame, tao amin’ny Lapam-panjakana ao Kigali, ny filoha Rajoelina Andry, omaly. Voaresaka ny fiaraha-miasa sy ny dingana vitan’ity firenena ity. Nambaran’ny filohan’ny Repoblika fa manana ny fahaiza-manao sy ny haitarika ny filoha Paul Kagame. “Fakan-tahaka sy modely ho an’i Afrika noho ny ezaka lehibe nataony tamin’ny […]

TSELATRA

Fasana iray indray novakian’ireo tsy valahara tao Mananety Mahitsy, distrika Ambohidratrimo, afakomaly. Very tamin’izany ny taolan-dava rehetra tao am-pasana. Nakorontan’ireo jiolahy avokoa ny razana sisa tavela. Dahalo iray lavon’ny miaramila eo anivon’ny 422e Compagnie d’Infanterie Ambatomainty, ny sabo­tsy teo. Anisan’ireo nanao fanafihana tao amin’ny ta­nà­nan’Amposa, kaominina Mahabe ity maty voatifitra […]

Fisolokiana : enina mianadahy voasambotra

Tra-tehaky ny mpitandro filaminana ny vehivavy efatra sy lehilahy roa tao amin’ny fokontany Ankadinakanga, Tsiroanomandidy, omaly. Manao hosoka sady misandoka izy enina mianadahy ireto. Naharay angom-baovao avy amin’ny tsara sitrapo, malaza tao amin’ny faritra Bongolava ny fisiana tambazotra mpanao fisandohana. Mampiasa anarana tomponandraiki-panjakana misahana ny bokin’omby sy ny karapanondrom-pirenena izy […]

Adiny roa ny fisavana tao an-trano: renim-pianakaviana maty notifirin’ny jiolahy

Nirefodrefotra indray ny basy nandritra ny fanafihan-jiolahy tao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Mangabe Sahananto, distrikan’i Toamasina II, afakomaly tolakandro. Renim-pianakaviana iray maty voatifitra… Niditra an-keriny tao am-pivarotan’ny mpandraharaha iray ireo jiolahy sady nanapoaka basy tamin’io fotoana io. Tsy vitan’izay fa nandrahona ireo fokonolona teo amin’ny manodidina ihany koa izy ireo. Nandositra […]