Nosokafana ofisialy, omaly, nanoloana ny Araben’ny fahaleovantena Toamasina, ny fifaninanana nasionaly ho an’ny mpiasam-panjakana (Asief). Tsy nahasakana ireo mpandray anjara hatramin’ny olona manan-kaja nasaina, ny orana nikija fa nizotra tsara izany lanonam-panokafana izany. Natomboka tamin’ny 1 ora ny fotoana, tamin’ny alalan’ny rodobe. Nitohy tamin’ny filaharambe sy fandraisam-pitenenana ary zumba. Nisy […]
Taratra
Fandehanana mafy : mpitondra moto maty tsy tra-drano
Saika isan’andro ny ahenoana loza ahafatesan’olona vokatry ny fampiasana moto. Noho ny fandehanana mafy hatrany ny ankamaroan’izany. Namoy ny ainy vokatry ny fandehanana mafy ny raim-pianakaviana iray 76 taona nitondra moto, tao amin’ny fokontany Ambihibolabe, kaominina Amboasary Gare, distrikan’i Moramanga, afakomaly. Tsy tafavily fiolanana, nifatratra tanaty tatatra ilay mpitondra moto. […]
Tohana ho an’ny fahasalamana: Ekipa 96 mitety tanàna any Atsimo sy Atsimo Andrefana
Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Freddy, ny volana marsa lasa teo, manohy ny tantsoroka ho an’ny fokonolona amin’ny fanampiana ny fahasalamana ny Unicef sy ireo mpiray ombon’antoka maro. Mandeha mitety tanàna ireo mpiasan’ny fahasalamana manome tolotra eny amin’ny foibe ho an’ny fanjarian-tsakafo eny anivon’ny fokontany. 20 andro ny faharetan’ny asan’izy ireo ary […]
IHSM Toliara: mahasarika mpitsidika ny « Musée de la mer »
Ny taona 1992 no lasa eo ambany fiahian’ny oniversiten’i Toliara ny «Institut halieutique et des Sciences Marines, IHSM» ao Toliara, manome fampianarana momba ny tontolon’ny ranomasina. Ivontoerana tokana eto Madagasikara manofana izany ary manodidina ny 300 eo ho eo isan-taona ny tanora mifaninana hiditra ho taona voalohany raha 36 amin’ireo […]
Vidin’entana : ampiakarina amin’ny fanaovana asa tanana ny vidin’ny vanille
Tonga maneho ny fomba fampiasana sy fanodinana ireo akora fototra avy amin’ny vokatra vanille etsy amin’ny “Fier Mada”, Andohatapenaka ireo mpamokatra avy any amin’ny faritra Ambatosoa, amin’izao fotoana izao. “Simba fotsiny ny vanille any an-toerana satria tsy misy vidiny intsony ary vitsy ny mpanjifa izany”, hoy i Christianah, mpamokatra vanille […]




