Taratra

Fanaovana hosoka : voatazona am-ponja ilay zandary

Nolavin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina ny fangatahana fahafahana vonjimaika nataon’ny zandary iray, ny zoma 28 jolay teo. Nidoboka am-ponja vonjimaika ny faha-21 jona, noho ny halatra sy fampiasana marika ana orinasa mpanao simenitra iray tsy nahazoana alalana no nahavoampanga azy. Vokany, niakatra teny amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ny raharaha, […]

Fakana an-keriny : maty voatifitry ny zandary i Salama

Lavon’ny mpitandro filaminana ny jiolahy raindahiny amin’ny fakana an-keriny tao Anjozorobe, afakomaly. Lavon’ny zandary ny iray tamin’ireo jiolahy mpaka an-keriny tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ambohibary Vohilena, distrika Anjozorobe, ny sabotsy 5 aogositra teo. Nikasa haka an-keriny tao amin’io kaominina io ihany, naharay angom-baovao ny zandary avy eo anivon’ny kaompania Imerina […]

Diviziona 2 Nasionaly  : resin’ny TGBC Atsinanana ny FC Rouge Analamanga

Notanterahina omaly ny andro voalohan’ny fifaninanana «Ligue des Champions 2023», taranja baolina kitra, diviziona faharoa, nasionaly. Araka ny vokatra voaray, resin’ny solontenan’ Atsinanana, tamin’ny isa 2 no ho 1 ny FC Rouge, tompondakan’Anala­manga. Fihaonana notanterahina tany Ambatondrazaka. Ankoatra izay, nisaraka ady sahala 0 no ho 0 ny Five FC, nivarina […]

SOMBIM-BAOVAO

Laura. Nibata ny medaly volamena ho azy koa i Laura Rasoanaivo teo amin’ny taranja Judo sokajy -70kg, amin’ny lalaon’ny Frankôfônia andiany fahasivy, atao any Kinshasa, RD Congo. Mamiratra hatrany ity Malagasy mpikatroka ity amin’izay fifaninanana atrehany. Tsiahivina fa izy no voalohany eran-tany eo amin’ny sokajy katsaky ny 70 kilao Barea […]

Gaborone Utd sy Elgeco Plus : hatao ny 19 aogositra ny lalao mandroso

Hotanterahina ny sabotsy 19 aogositra ho avy izao, ao amin’ny kianja Stade National de Gaborone, Botswana ny lalao savaranonando mandroso, hikatrohan’ny Gaborone United sy ny Elgeco Plus. Fihaonana, tafiditra ao anatin’ny fiadiana ny amboaran’ny kaonfederasiona, taranja baolina kitra. Ao anatin’ny fanomanan-tena tanteraka amin’izao fotoana izao, ny Elgeco Plus. Nambaran’ny mpanazatra […]