Taratra

Tantara an-tsehatra : nandresy ny lycée Faravohitra

Notontosaina tao amin’ny Alliance française Andavamamba, ny famaranana ny andiany fahafito, tamin’ny fifaninanana nasionaly ho an’ny tantara an-tsehatra amin’ny teny frantsay. Nikarakara ny hetsika ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Mpiara-miasa ny tetikasa “Éducation service de coopération et d’action culturelle (EduSCAC)” an’ny masoivoho frantsay sy ny fikambanan’ny mpampianatra miteny frantsay eto Madagasikara. Tropy […]

Fanadinana bakalorea : vita ny zoma teo ny fitsarana ho an’ny sokajy ankapobeny

Tontosa ny zoma teo ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an’ny fampianarana ankapobeny sy ny 1ère série ho an’ny sampana teknika. Hanomboka anio ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an’ny taranja fototra rehetra 2ème série. Vita ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an’ny fampianarana ankapobeny, izay niteraka savorovoro ny olana marobe niseho. Mbola […]

LALAON’NY FRANKOFONIA : Tafakatra ampahefa-dalana ny ankoay

Nandresy ny ekipan’i Tonizia , noho ny tsy fahafahana nilalao, ny ekipa malagasy, omaly, ao anatin’ny lalaon’ny Frankofonia, taranja basikety. Tafakatra amin’ny ampahefa-dalana, araka izany, ny Ankoay. Taorian’ny faharesena tamin’ny isa ety dia ety, nanoloana an’i Cameroun, ny sabo­tsy lasa teo.Antony tsy nahafahan’ny tonizianina nilalao ny olana teo amin’ny fanamiana. […]