Taratra

Kitra – Jobilin’i Ahmad: nomontsanin’ny Barean’i Madagasikara i Mayotte

Nifarana omaly alahady, tao amin’ny kianja Rabema­nan­jara Boeny, ny “tournoi” baolina kitra, fankalazana ny jobilin’i Ahmad, filohan’ny CAF teo aloha. Lasan’ny Barean’i Madagasikara ny amboara rehefa nanamontsana an’i Mayotte, tamin’ny isa mazava, 3 no ho 1. Nampiditra ny baolina voalohany ry zareo Mahorais, tamin’ny alalan’ny “coup franc”, nodakan’i Adifane, kapiteny, […]

Lutte – Lalaon’ny FRANKOFONIA: Medaly volafotsy i Mbola

Tsara fiditra ny Malagasy mpanao “lutte”, omaly ala­hady, teo amin’ny fiadiana ny lalaon’ny tany miteny ampahany na manontolo ny teny frantsay “Jeux de la francophonie”. Fihaonana, tantera­hina any Kinshasa, renivohitry ny Repoblika Demokatrikan’i Congo. Niady ny medaly volamena, sokajy -74 kg, i Mbola saingy resy. Ankoatra izay, nifampitana izay hahazo […]

Afrika Juniors/Cadets : nahazo medaly sivy ny Malagasy judoka

Nifarana omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja Judo, sokajy “Junior” sy “Cadet”. Nahazo medaly sivy i Madagasikara. Tsy nitsanga-menatra ny Malagasy mpikatroka, niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, notontosaina teto Mada­ga­si­kara. Medaly sivy no norombahin’ny Malagasy, volamena iray, volafotsy roa ary alimo enina. Rasoanaivo […]

TARATRY ny KANTO

Mitohy ny fiofanana tselatra eo amin’ny kabary. Rahampitso 1 aogositra, zoma 4 aogositra ary ny zoma 11 aogositra no hanatanterahin’ny Fikamba­nan’ny mpikabary malagasy maneran-tany izany, etsy Andavamamba. Hianarana amin’izany ireo karazan-kabary fanao amin’ny vaninandro miavaka toy ny tsingerin-taona, asaramanitra, fitokanana isan-karazany. Mahatratra 51 ny isan’ny tarika mpanao hiragasy eto Madagasikara. […]