Taratra

« Tanora fanantenana »: Nahafa-po ny mpijery ny seho teatraly

Notanterahina omaly, teny amin’ny Alliance Française d’Antananarivo (AFT) Anda­va­mamba, ny fampisehoana teatra, notontosain’ny Tropy Antananarivo Teatra, nampitondraina ny lohateny hoe «Tanora Fanantenana». Fo­toana iray nanehoan’ity tropy ity ny maha izy azy. Maro ny mpisehatra eo amin’ny teatra eto Madagasikara sy m­pa­n­kafy izany no tonga nankafy izany. Tanjon’ny hetsika ny hametrahana […]

«Festival Temps Fort Danse»: hiavaka ny hetsika na andiany voalohany aza

Hotanterahina manomboka ny 30 aogositra hatramin’ny 16 septambra 2023, eny amin’ny Institut Française de Madagascar (IFM) Analakely, ny «Festival Temps Fort Danse», andiany voalohany. Hetsika lehibe eo amin’ny tontolon’ny dihy ity hotanterahina ity. Vondrona sy mpandihy manana ny maha izy azy maro eto Madagasikara no haneho ny fahaiza-manaony sy ny talentany, […]

Kolontsaina sy zavakanto: notokanana ny «Kianjan’ ny hiragasy»

Tsy mba zavakanto tsotra ny hiragasy fa kolontsaina koa. Tsy natao ho fahafinaretan’ny sofina fotsiny fa fitaizana ny taranaka. Ho fampivelarana izany, notokanana, omaly, ny fotodrafitrasa vaovao. «Kianjan’ny hiragasy», io ny anarana nasalotra ilay toerana vaovao fanaovana adin-kiragasy etsy ambadiky ny Tranombokim-pirenena Ampe­fi­loha. Mahazaka mpijery 700 ity kianja ity, raha […]

FANTINA sy FINTINA

“Andao hatao ny fifidianana rehefa vonona”, hoy ny depiote voafidy tany Arivonimamo tamin’ny anaran’ny IRD, Rakotondravoavy Andrianjafinjakolona, manoloana ny fitakian’ny mpisehatra politika sasany fanemorana izany. Betsaka ny fifidianana efa hita nandeha teto, fa tamin’izao no tena nipetraka ny hoe mangarahara, hoy izy. Vonona hiatrika fifidianana ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina, […]