Taratra

Judo-Afrika, “Junior” : nahazo medaly telo i Madagasikara

Medaly 3 no norombahin’ny Malagasy, teo amin’ny sokajy Junior, ao anatin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja Judo. Medaly volamena iray sy alimo roa. Nanomboka ny zoma lasa teo, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja Judo, “Junior” sy “Cadet”. Judokas malagasy tokana niatrika famaranana, teo amin’ny […]

Orange Madagascar: tonga ao Manakara ny Wifiber

Rivo-baovao ho an’ny fampandrosoana ny toeka­rena sy ny fandraharahana ao Manakara ny Wifiber. Tonga ao amin’ny faritra Vatovavy sy Fitovinany, ny herinandro teo, nitondra io tolotra io ny eki­pan’ny Orange Madagascar, notarihin’ny tale jeneraliny, Frédéric Debord. Nohainoana nandritra izany ny filan’ireo mpandraharaha sy mponina ao an-toerana enti-mampandroso ny asa fivelomany. […]

VAOVAO TAMBATRA

Vita ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro ao Ambilobe. Manana tanjaka 1MW ity tobim-pamokarana ity raha 800 KW isanisany kosa ireo milina mpihary herinaratra vaovao miisa roa miaraka aminy. Hahatratra 2.400 KW ny herinaratra hovokarina ao Ambilobe. Tanjona ny hialana tsikelikely amin’ny fampiasana solika. Mahatratra 3.750 ireo hisitraka ny fotodrafitrasa. […]

Fitomboana ara-toekarena : tsy nandroso tao anatin’ny telo volana voalohany 2023

Manangona ny antontam-baovao rehetra mikasika ny tontolon’ny toekarena ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Tsikariny fa nihemotra ny fandrosoana ara-toekarena teto amintsika, tao anatin’ny telo volana voalohan’ny taona 2023. Lafin-javatra maro no jeren’ ny Banky foiben’i Mada­gasikara (BFM) amin’ny toekarena eto amin’ny fire­nena. Manan-danja lehibe amin’ny lafiny fampandro­soana ny entin’ny mpandraharaha […]

Fikambanana Daholo : Tanora 12, nahavita fiofanana

Notolorana mari-pankasitrahana ireo tanora mpianatra 12, andiany faha-8 sy faha-9 eo anivon’ny fikambanana Da­holo, ny sabotsy lasa teo. Na­ha­vita fiofanana mikasika ny fahaiza-mitarika (Young leaders dirigeants), momba ny fanamboarana savony vita amin’ny zava-maniry izy ireo. Nampiofanina avokoa izy ireo taorian’ny tetikasa niombonana sy niarahan’ny mpianatra, nampitondraina ny lohateny hoe : «Tolotanam-pivoarana». […]