Taratra

«Festival des baleines» : Tontosa na maro aza ny sakana

Fanainga ho an’ny sehatry ny fizahantany eto an-toerana ny “Festival des baleines” andiany fahenina teo. Tsara ny tombam-bokatra ary feno avokoa ireo trano fandraisam-bahiny tao amin’ny Nosy Boraha (Ste Marie) nandritra ny herinandro mahery nanaovana ny hetsika. Na izany aza, betsaka ireo hetsika tsy tontosa noho ny haratsin’ny toetr’andro. Ani­san’izany […]

Youth Digital Program: “Influenceurs” 20 hofanina hanentana ara-pahasalamana

Hanofana tanora 20 mpanentana eny amin’ny facebook na « influenceur » ny “Orange Digital Center Madagascar”, amin’ny alalan’ny fandahara­nasa “Youth Digital Program”. Fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny minisiteran’ny Fanabea­zam-pirenena ary ny minisiteran’ny Tanora no ahafahana manatanteraka izany. Natomboka tamin’ity herinandro ity, araka izany, ny fandaharanasa “Youth Digital Pro­gram” amin’ny […]

Vaksiny miaro amin’ny poliomelita: homena ho an’ny ankizy sy lehibe 18 tapitrisa

Nifarana omaly, ny hetsika fanaovam-baksiny miaro amin’ ny aretina poliomelita eto amin­tsika izay nanomboka ny talata lasa teo. 18 tapitrisa ny isan’ny olona (ankizy sy lehibe) heve­rina hisitraka ny vaksiny ho an’ny faritra efatra iantefany: Analamanga, Vakinankaratra, Atsimo Andrefana ary Alaotra Mangoro. Nosafidiana manokana ireo faritra ireo aloha satria nisongadina […]

VIH/Sida: Loza mitatao ho an’ireo mpitsindrona zava-mahadomelina

Mahazo vahana eo amin’ny fiarahamonina malagasy ankehitriny ny fampiasana ny zava-mahadomelina atsindrona (UDI), indrindra eo amin’ny adolantsento sy ny tanora. Ireo mpam­piasa ny zava-mahadomelina atsindrona anefa dia tafiditra ho anisan’ny vondron’olona marefo izay mora ifindran’ny VIH/Sida. Ny herinandro teo, nisy ny atrikasa fanetsehana ny vaomera teknika mandrindra ny fampiharana ny […]

Dr Razakanaivo Malala CHUJRA: mamely ny vehivavy ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza

Mampivarahontsana raha vao resaka homamiadana. Anisan’ny lasibatra ny vehivavy amin’ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza. Mila manao fitiliana mialoha. Anisan’ny aretina faharoa mpitranga ao amin’ny sam­pam-pitsaboana momba ny homamiadana eo amin’ny CHUJRA ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza, raha ny re­saka nataon’ny dokotera ma­nam-pahaizana, Raza­kanaivo Malala. Fiovan’ireo sela miainga ao amin’ny vozon’ny tranon-jaza ka […]