Taratra

Mandoto : Basy Kalach roa sy mohara azon’ny zandary

Basy Kalachnikov roa sy basy vita tanana iray ary ody ratsy marobe (mohara) no indray azon’ny zandary taorian’ny fifandonana tamin’ny dahalo, ny sabotsy teo. Dahalo telo indray maty voatifitra raha enina hafa kosa azo sambo-belona. Tafaverina amin’ny tompony ireo omby 52 saika lasan’ireo malaso. Nandritra ny fampandrian-tany nataon’ny zandary, niaraka […]

Lehilahy novonoina: nifatotra tongotra aman-tanana!

Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ny raim-pianakaviana iray. Nopotehina ny tarehiny. Nafatotra tongotra aman-tanana tao an-damosina izy. Novoina tamin’ny fomba feno habibiana, raim-pianakaviana iray hita faty tao Ambalamanga, fokontany Ambohitrinibe, kaominina Milamaina, distrikan’ i Fan­driana, ny 25 jolay 2023 teo. Nodarohana teo amin’ny lohany, voa mafy io lehilahy io. Nofatoran’ireto […]

SOMBIM-BAOVAO

«Japan Tour», taranja baolina kitra. Resin’ny ekipa Cerezo Osaka Japana, tamin’ny isa 3 no ho 2, ny klioban’i Frantsa ,Paris Saint Germain (PSG) diviziona voalohany. Fihaonana natao tao amin’ny kianjan’i Yanmar Nagai Japon. Marihina fa indroa amin’ity izay i Luis Enrique no nitondra lalao ho an’ny PSG. “Sport Equestre”, anisan’ireo […]

Bisikileta – JIOI 2023 : miisa 12 ireo atleta lehilahy

Afaka 28 andro sisa, hanomboka ny lalaon’ny Nosy JIOI 2023, izay hotanterahina eto amintsika, ny 25 aogositra ka hatramin’ny 3 septambra ho avy izao. Anisan’ireo taranja hifaninanantsika, amin’izany, ny hazakazaka am-bisikileta «Cyclisme». Miisa 12 ireo natsoina voalohany na «présélectionné» ho an’ny sokajy lehilahy. Araka ny fanadihadiana natao tamin’ny filohan’ny federasiona […]

Lalaon’ny Frankofonia : hidona amin’i Tonizia ny Malagasy

Hanomboka anio 29 aogositra ny fifaninanana ho an’ny taranja basikety, ao anatin’ny lalaon’ny Frankofonia, tontosaina any Kinshasa RD Congo, ho an’ny solontena malagasy. Araka ny vaovao, nahitana fiovana ny fizaram-bondrona ho an’i Madagasikara. Hiatrika ny dingana fifanintsanana manoloana an’i Kameronina sy Tonizia ny Ankoay, raha toa ka tao amin’ny vondrona […]