Taratra

Tsena any ivelany: manakaiky ny vidina gitara ny valiha

Anisan’ny zavamaneno mampiavaka sy ahafantarana an’i Madagasikara ny valiha. Manomboka mivelatra eo amin’ny tsena ivelany ny varotra atao aminy. Raha ny vidiny no iaingana, efa manomboka mitovy laharana amin’ny gitara. Tany ho any amin’ny faramparan’ny taonjato faha-18, nanomboka na­la­za ny fampiasana ny gitara. Nisandrahaka haingana teo amin’ny tontolon’ny hira ma­neran-tany […]

Fantina sy ny fintina

Voaporofo izao fa mandrebireby vahoaka ireo mpanohitra, araka ny nambaran’ny filoha nasionalin’ny Freedom, Rakotondrazafy Lalatiana, ny herinandro teo. “Nahoana ianareo kandidà Tim eto Antananarivo no tsy mangataka fampitahana ny voka-pifidianana eny amin’ ny Tribunal administratif- Taf fa mitabataba fotsiny”, hoy izy. Hotsaraina, anio, etsy amin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny […]

Soa toa lavina

Voalazan’ny mpandinika fa ny kolontsaina sisa tavela raha very na hadino avokoa ny zava-drehetra. Mby aiza izany eto Madagasikara amin’izao taranaka sy fotoana izao? Toa izay kolontsaina maha izy azy ny tena izay indray aza no mila ho very, hadino, rava… Antom-pisiana sy fototra iainana io: fahatahorana an’Andriamanitra, fitandroana aina, […]

Disadisam-pifidianana: miantso fifanatonan’ny hery rehetra ny Tim

Nambaran’ireo kandidà ben’ny Tanàna avy amin’ny Tim sy ny Firaisankina fa mitsipaka sy tsy hankato ary tsy hanaiky ny voka-pifidianana azo tamin’ny alalan’ny hosoka sy ny halatra manerana ny kao­minina maro izy ireo. “Miantso ny kandidà rehetra sy ny an­toko politika ary ny olom-pirenena izahay mba hitsangana sy hifanatona haingana […]

KMF/Cnoe: « Aoka hohajaina ny lalàna… »

Nitondra ny heviny manoloana ny resabe tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna farany teo ny eo anivon’ny KMF/Cnoe. Notsiahivin’izy ireo, tamin’izany, ny momba ny lalàna. “Tsy mahagaga raha misy fifandroritana, fa tsy mipetraka ny fomba famakiana ny lalàna”, hoy ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert, tany Morondava, ny faran’ny […]