Taratra

Filoha Randrianirina Michaël: « Hampidinina ny vidin’ny entana eny an-tsena »

Tafiditra tao anatin’ny fandaharam-potoan’ny filoham-panjakana, Randrianirina Michaël, any Rosia ny fihaonany amin’ ireo teratany malagasy Diaspora mianatra sy miasa any amin’ity firenena ity. Nisongadina tamin’ny fiha­o­nana fa hojerena ny nanaovan’ny sasany ny ampihimamba amin’ny resaka kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro. «Ha­taon’ny fanjakana laharam-pahamehana ny fanokafana izany mba hipetrahan’ny fifaninanana, hahafahana […]

Mpanatitr’entana voatsatoka antsy : Voasambotra ilay lehilahy nahavanon-doza

Notsatohana antsy indroa tao amin’ny faritry ny lamosiny sy ny feny, naratra mafy ka voatery nentina teny amin’ny hopitaly, ny lehilahy iray mpanatitra entana, teny amin’ny fokontany Ambohimarina, kaominina Alasora, afakomaly. Nitondra bisikileta io lehilahy izay avy eny Ankadikely Ilafy io. Nitondra entana efa nisy nanafatra tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera izy […]

Ampasika : Vehivavy iray hita faty nentin’ny ranon’Ikopa

Nahitana fatina vehivavy iray manodidina ny 20 taona teo ho eo indray ny reniranon’Ikopa, tetsy Ampasika Avaratra, omaly hariva tamin’ny 5 ora. Olona sendra nandalo teny amin’ny manodidina no nahatsikaritra fatin’olona natsingevan’ny rano. Niondrika tao anaty rano ny fahitana ny razana nandritra izany. Vory lanona ny mponina nahita izany. Lehilahy […]

Nanaraka an-drainy naka fasika : Zazavavy telo taona, maty nohitsahin’ny sarety

Namoy ny ainy, voahitsaky ny sarety, tetsy Mahamaintiomby Anjozorobe, ny zazakely vao telo taona, omaly maraina. Nipitika avy eny ambony sarety izy, voahosin’ny kodiarana ny lohany. Nitrangana loza namoizana aina tao Maha­main­tiomby, kaominina amba­­­nivohitra Belanitra, di­sitrikan’ Anjo­rozobe, omaly ma­raina tamin’ny 8 ora. Sare­ty iray, nitatitra fasika, no nihavian’ny loza. Niaraka […]

Karate-“Inter Makawa” : Nahatratra 215 ny mpandray anjara

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Es­pace Queen Fanomezan­tsoa Ambohimangakely, ny fifaninanana “inter Makawa”, ta­ranja karate. Fifaninanana andiany faharoa, izay efa natomboka tamin’ny herintaona, ity fifaninanana ity. Nisy ny fitokanana ny Seiko No kai Kama nandritra izany, ankoatra ny fifaninanana sy seho Body karate izay nampiavaka ny hetsika. Natao […]