Hidina ny maripana amin’ny afovoantany sy ny morontsiraka atsinanan’ny Nosy amin’ity faran’ny herinandro ity, raha ny vinavinan’ny mpamantatra ny toetry ny andro. Hiakatra tsikelikely izany any amin’ny alatsinainy. Hitohy hatramin’ny rahampitso ihany koa ny fikorontanan’ny toetry ny andro eny an-dranomasina, any amin’ny morontsiraka atsimo andrefana, atsimo ary atsinanana iray manontolo, […]
Taratra
Antsapanana Ambohitrimanjaka: tafarina tanteraka ny fefiloha
Vita tanteraka ny fanarenana ny fefiloha manamorona ny renirano eny Antsapanana Ambohitrimanjaka. Nosahanin’ny tetikasa Produir izany ahafahana miatrika ny taom-pahavaratra izay mahamafy ny tosiky ny rano. Ilaina ny fikojakojana ny fotodrafitrasa vita ary manana anjara amin’izany ny rehetra mba haharetan’izy ireny. Nasiam-panamboarana koa ny fefilohan’i Sisaony havanana eo Ambohimangidy, ny […]
Alliance Stratégique pour l’Education: « Mihavery ny hasin’ny fampianarana malagasy »
Mampalahelo sady mahamenatra ny mahita sy miaina ny zava-misy eo amin’ny sehatry ny fampianarana eto Madagasikara ankehitriny. Manana anjara andraikitra ny rehetra manoloana izany. Ny fanaovana ho laharam-pahamehana ny fampianarana sy ny fanabeazana no vahaolana voalohany amin’izany. Nanatontosa fanambarana, ny fiarahamonim-pirenena, mivondrona ao anatin’ny «Alliance stratégique pour l’éducation», omaly, teny […]
TARATRY ny KANTO
Nisongadina tany Italie ry Weaver Trio sy i Joro Rakotozafiarison, nandritra ny “Festival Bari in Jazz” tamin’ity herinandro ity. Tohin’ny fiarahana tamin’ireo mpanakanto italianina izay nandray anjara tamin’ny “Nosy Boraha Festival” izany. “Be tige Comedy University Tour”, eny Ankatso. Fampisehoana hatsikana, anio, amin’ny 10 ora maraina izy ity, ao amin’ny […]
AFT Andavamamba: tafaverina ny hetsika lehibe ho an’ny kilalaon-tsaina
Hotontosaina ny 7 hatramin’ny 19 aogositra 2023, eny amin’ny Alliance française (AFT) Andavamamba, ny hetsika «Salon des jeux de société» iarahany amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Kilalaon-tsaina malagasy sy vahiny maro samihafa no ho hita mandritra izany hetsika izany. Anisan’izany ny “échecs”, “dame”, “belote”, “loup garou”, fanorona, katro… Raha ny fandaharam-potoana, ny […]




