Ao anatin’ny fialantsasatra lehibe ny mpianatra. Ny ankamaroany, eo an-tanàna ihany. Tsy mivoaka ny trano. Io tranga io no ahatarafana fa tsy milalao na tsy mahay milalao na tsy ampy kilalao ny zaza malagasy. Mihiboka ao an-trano izy ireny : matory, mijery televiziona, manao «jeux»… Mandefa vinany eo am-pitoerana fotsiny. […]
Taratra
“Feo roa, gitara roa” : hanome voninahitra an-dRaoul i Dama sy i Erick Manana
2013 tany no nanomboka ilay “Feo roa, gitara roa”. Efa tany ambadiky ny 45 taona tany kosa ny fiarahana ho an’i Dama sy i Erick Manana, noho i Raoul… “Misy tantara lavabe nahatonga io fiarahanay sy i Dama io. Niainga tany amin’ny fototra nanombohako teo amin’ny mozika mihitsy izany. Raoul […]
Fatana mitsitsy : mahasarika ny mpanjifa noho ny halafosan’ny saribao
Nampiasa kitay sy saribao avokoa ny 81% -n’ny tokantrano malagasy teto an-drenivohitra sy tany Ambanivohitra, raha araka ny fanadihadiana nataon’ny Birao nasionaly momba ny antontanisa (Instat), tamin’ ny Novambra 2003. Mirona tsikelikely amin’ny fampiasana fatana mitsitsy ny ankamaroan’ny Malagasy ankehitriny. Miroborobo rahateo koa ny fanamboarana izany eto an-toerana. Anisan’ny ahitana […]
Vaovao tambatra
Mitsahatra ny fanambaran’ny mpanjifa ny tarehimarika amin’ny kaontera Jirama (auto-relevé). Hiverina hitety trano isam-bolana ny mpiasan’ny Jirama. Hisy ny fepetra manokana hanaraha-maso izany. “Antony, maro ny fanambarana ny fandaniana tsy voafehin’ny Jirama, ka mampitaraina ny mpanjifa », hoy ny minisitry ny Angovo. Atao vaindohan-draharaha ny fampiroboroboana ny toekaren’ny faritra tsirairay. Omen-danja ny […]
Fifanakalozana ara-barotra : hiara-hiasa i Madagasikara sy i Kaomoro
Samy afa-po na ny mpandray anjara na ireo mpitsidika nandritra ny hetsika “salon international de l’artisanat”, natao tatsy amin’ny Nosy Kaomoro, ny 6 ka hatramin’ny 9 jolay teo. Anisan’ny nandray anjara i Madagasikara ka nahaliana ny teratany vahiny ny asa tanana malagasy. Tapaka taorian’ny hetsika fa hisy fifanakalozana ara-barotra eo […]




