Raim-pianakaviana iray maty voatifitry ny jiolahy teo amin’ny faritry ny tratrany, tao Mantasoa, omaly. Nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika, nandroba tao amin’ny tokantrano fonenan’io rangahy io ireo jiolahy, tamin’ny 2 ora tolakandro. Norobain’ny jiolahy ny toeram-pivarotam-panafody ao Soavimasoandro, afakomaly atoandro. Niditra toy ny mpanjifa rehetra, nambanan’ny olon-dratsy basy ny mpiasa. Niantso […]
Taratra
Analakely: trano telo kilan’ ny afo
Nitrangana haintrano mahatsiravina teo Analakely, boriborintany voalohany, ny sabotsy 11 janoary maraina teo. Vao mangiran-dratsy, nidonan-tsetroka ka vetivety nivadika afo. Naharay antso ny avy eo anivon’ny Vondron’ny mpamonjy voina tamin’ny 3 ora maraina sy 14 minitra maraina. Nirehitra ny trano lehibe iray eo Analakely, anoloan’ny Lycée J J Rabearivelo. Telo […]
Ambatofotsy: jiolahy tratra teo am-panosehana moto halatra
Tratra teo am-panosehana moto halatra ny jiolahy telo, teny ambatofotsy, ny alahady tamin’ny 1 ora maraina. Nanao ny asa fisafoana teny an-toerana ny zandary, notarihin’ny kaomandin’ny zana-tobim-paritra Ambatofotsy. Nandritra izany, nahita telo lahy mampiahiahy nanosika moto nandalo teo ambony tonelina manamorona ny lalam-pirenena fahafito (RN7) izy ireo. Nitsoaka avy hatrany […]
Takaitran’ny rivodoza Dikeledi: telo maty, 1 702 traboina ao anatin’ny faritra telo
Tsara ny fiomanana ary nanaraka ny toromariky ny BNGRC sy ny mpitantana any an-toerana avokoa ny mponina ka tsy mafy ny fiantraikan’ny fandalovan’ny rivodoza Dikeledi tany avaratra, hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC. Telo maty taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Dikeledi an-tanety ny alin’ny sabotsy tamin’ny 7ora sy sasany tao amin’ny kaominina Ampisikinana, […]
Basikety 3X3: laharana fahadimy aty Afrika ny Ankoay
Namoaka ny filaharan’ireo firenena, eo amin’ny taranja basikety, ny Federasiona iraisam-pirenen’ny basikety (Fiba), omaly. Amin’ny ankapobeny, mitana ny laharana fahadimy aty Afrika ny Ankoay ary laharana faha-52 maneran-tany. Ho an’ny aty Afrika, ao aorian’i Bénin, Algérie, Ouganda, Burkina Faso ary Afrika Atsimo i Madagasikara. Nosongonan’i Bénin sy Afrika Atsimo, araka […]