Tsy ho ela, higadona ny 3 jona hanombohana ny fikaonandoham-pirenena. Andro isaina sisa… Nefa hatramin’izao, tsy mazava amin’ny ankamaroan’ny olom-pirenena izay tena hatao. Tenenina matetika, ohatra, ny hoe miainga any ifotony, ny Malagasy rehetra no hakan-kevitra, tsy misy hevitra avela… Amin’ny fomba ahoana? Mila fanazavana: iza avy, ohatra, no ho […]
Taratra
Kolonely Randrianirina Michaël: “Leo kolikoly ny vahoaka”
Nanamafy ny filohan’ny fanavaozana fa atao laharam-pahamehana ny ady amin’ny kolikoly, izay mankaleo ny vahoaka. Nasiany tsindrim-peo manokana ny fanamboaran-dalana sy ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Mitohy ny fitetezam-paritra hataon’ny filohan’ ny fanavaozana sy ny mpiara-miasa aminy. Nijery ifotony fanarenana ny lalam-pirenena faha-41, mampitohy an’Ikelikapona sy Fandriana izy, tamin’ny sabotsy. Tafiditra […]
Indray mijery
Manohy ny asa fanamboarana ireo lalana simba, mampimenomenona eto Antananarivo, ny CUA. Voakasik’izany ny Axe Antsakaviro-Mascotte, Andravoahangy Rotsirotsy, lalana VVS Antanimora, Isoraka … Hitondra fahatsaran’ny fifamoivoizana sy hiantoka ny fiarovana ny mpampiasa lalana ny fahavitan’ ireo lalana ireo. Ho fanatsarana hatrany ny tolotra ho an’ny vahoaka sy ho fanohanana ireo […]
kolontsaina rosianina: mendrika ny Lycée Alasora
Nandritra ny fifaninanana teny sy kolontsaina rosianina, ny faran’ny herinandro teo, nahazo ny laharana voalohany ny Lycée Alasora, ao amin’ ny Cisco Antananarivo Avaradrano. Loka mitentina 1 000 000 Ar no azon’izy ireo tamin’izany. Nahazo loka avokoa anefa ireo nandray anjara rehetra. Marihina fa ireo Lycée mampianatra teny rosianina eto […]
Tetikasa « Baobab Network »: mponina 30 000 hahazo rano madio fisotro, any atsimo
Hanampy betsaka ny mponina any Atsimo ny tetikasa Baobao Network, izay vatsian’ny amerikanina vola. Maherin’ny 30 000 ireo olona hisitraka rano madio fisotro amin’izany. Manova tanteraka ny fiainana andavanandron’ny mponina ao Tsihombe ny tetikasa vaovao “Baobab Network”. Amin’izao fotoana, afaka mantsaka rano madio ao an-tanànany ihany ireo fianakaviana, amin’ny sarany […]





