Taratra

« Festival Alefa Parkour »: hiavaka ny andiany faharoa

Hotanterahina ny 21 hatramin’ny 23 jolay izao, etsy amin’ny Parvis Analakely, ny fifaninanam-pirenena Festival “Alefa Parkour”, andiany faharoa. Hiavaka tanteraka ny hetsika amin’ity andiany ity, araka ny fanazavan’ny mpikarakara. Anisan’ny hampiavaka ny amin’ity ohatra, ny salan-taonan’ny mpifaninana, izay hisy ny sokajy zandriny, 8 hatramin’ny 14 taona. Toy ny tamin’ny taon-dasa, […]

Kitra – Lalaon’ny Nosy 2023 : hanao « match amical » amin’i Mayotte sy i Kenya ny Barea

Ho feno tanteraka manomboka anio, ireo mpilalaon’ny Barea, hifantenana izay handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, hiatrika ny lalaon’ny Nosy. Hivondrona miaraka izy ireo ary hanao lalao ara-pirahalahiana maromaro. Ho fanomanana ny lalaon’ny Nosy sy fiatrehana ny andro farany amin’ny fifanintsanan’ny CAN 2023, hosedraina amin’ny ekipam-pirenena Mahorais sy Keniani­na ny Barean’i Madagasikara, […]

CUA : mivory ny filankevitra monisipaly

Nanomboka omaly, ary hifarana rahampitso ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny filankevitra monisipaly, ao amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely. Mitarika izany ny filohan’ny filankevitra, Andriamparany Ralitera sy ny sekretera jeneralin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, Randrianoely Martin, izay nisolo tena ny ben’ny Tanàna . Miisa 20 ireo lahadinika natolotra hodinihina mandritra ny fivoriana izay miompana […]

Nitombo ny mpiadina Bakalorea : mifarimbona ny minisitera 3 tonta

Vokatry ny fiakaran’ny isan’ireo tanora miatrika ny fanadinana Bakalorea dia mifanome tanana ny minisitera 3 tonta amin’ny fampandehanana ny fanadinana. Nandritra ny fidinana te­ny amin’ny foibem-panadinana LMA Am­pefiloha, omaly, nataon’ny minisitra Assoumacou Elia Béatrice, no nilazany fa ifarimbonan’ny minisitera telo tonta ny fampandehanana ny fanadinana Bakalorea satria nitombo be ny isan’ny mpiadina. Mandray anjara […]