Taratra

FAPBM: niisa 35 000 ireo nisitraka famatsiam-bola

Mamatsy vola ireo mpitantana ny Faritra arovana (AP) miisa 125 manerana ny Nosy ny Fikambanana ho an’ny Faritra arovana sy ny tontolo mananaina eto Madagasikara (FAPBM). Manana mpiara-miombon’antoka izy amin’izany, ireo mpamatsy vola avy any ivelany. Anisan’izany ny « Conservation internationale », ny WWF, ny KFW, ny AFD, ny Banky iraisam-pirenena, sns. […]

Fialantsasatra lehibe: hisondrotra 5% ny saran-dalan’ ny taksiborosy amin’ny 22 jolay

Hitombo ny fandanian’ny mpandeha mankany amin’ny faritra, amin’izao fialantsasatra lehibe izao. Hisondrotra ny saran-dalan’ny taksiborosy, manomboka amin’ny sabotsy 22 jolay izao. Miandry ny fahavitan’ny Bakalorea ! Hitombo ny mpandeha amin’izao fotoan’ny fialantsasatra lehibe izao, indrindra aorian’ny fahavitan’ny fanadinam-panjakana. Manararaotra izany ny ankamaroan’ny mpitatitra, ka fantatra fa hampiakatra 5% ny saran-dalana […]

TARATRY ny KANTO

Tontosaina nanomboka omaly, ary tsy hifarana raha tsy ny 4 aogositra 2023, ny atrikasa “Théatre” ho an’ny ankizy 6 hatramin’ny 15 taona. Ny Compagnie Miangaly Théatre, fikambanana manana ny maha izy azy eo amin’ny teatra malagasy no mikarakara izany. Tanjona ny hambolena indray ny teatra eto Madagasi­kara sy hanomezana ny […]

Sarimihetsika : nalefa teto an-dRenivohitra ny “Iza”

Tontosa ny sabotsy teo, tetsy amin’ny Plaza Ampefilo­ha, ny fandefasana ny sarimihetsika malagasy, mitondra ny lohateny “Iza”, fizarana voalohany. “Iza”, novokarin’ny trano mpamokatra Miguel Produc­tion, tantara nosoratan-dRa­ha­rilanto Mampyoun. Nahasa­rika mpijery maro (olon-dehibe, zaza, tanora) izy ity. Niom­pana tamin’ny tantarana mpirahalahy mpinamana teo amin’ny tanàna iray ny vontoatin’ny tantara. “Nanjakan’ ny […]

Eglizy katolika Ambodifotatra – Sainte Marie : hampidirina anatin’ny lisitry ny harem-bakoka maneran-tany

Voasokajy ho harembako-pirenena, araka ny didim-panjakana lah-83-170, tamin’ny mey 1983 ny Eglizy katolika voalohany ao Ambodifotatra, Sainte Marie.Tanjona manaraka ny hahalasa azy ho anaty lisitry ny harem-bakoka maneran-tany. Izy ity no Eglizy katolika voalohany, niorina teto Ma­dagasikara, ny taona 1847. Anisan’ireo harem-bakoka ka­sain’ny minisiteran’ny Sera­sera sy ny kolontsaina hampidirina ao […]