Saron’ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Ambohimangakely teny Ambohimanambola, ny sabotsy teo, ireo jiolahy tarihin’i Sakay, raindahiny amin’ny fanafihana. Ao anatina tambajotran-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana, mpanendaka,mpandroba ao amin’ny faritry ny kaominina Ambohimangakely ry zalahy ireto. Ahitana an’i Sakay, Salala, Fotsikely, Tranky, Mika, Ndera. Ny alarobia 12 jolay 2023 alina, Pasitera iray […]
Taratra
TSELATRA
Mpampianatra iray nahatrarana entana halatra tao Andranodaro, distrikan’i Vondrozo, ny 11 jolay lasa teo. Entana efa very ny volana febroary teo ireto tra-tehaka tao amin’ny tranon’ny mpampianatra iray ireto. Nanao fisavana, saron’ny zandary tao avokoa ny fitaovana informatika sy kojakoja mifandraika amin’izany. Nentina natao fanadihadiana ilay Tompon-trano. Tra-tehaky ny polisy […]
Namaky dobo : tratra ireo jiolahy nangalatra trondro
Mahita hirika foana! Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Ambohimalaza, teny amin’ny lalam-pirenena faharoa (RN2), afakomaly, ireo jiolahy telo voarohirohy tamina raharaha halatra trondro milanja 40 kg. Nahazo antso fampilazana ny zandary fa misy roa lahy mitondra entana mampiahiahy mandalo eny amin’iny RN2 iny. Niainga avy any Andranosoa, kaominina Ambohimalaza, […]
Mampihorohro ireo taraiky hariva: mpanendaka 3 lahy tratra teny 67ha
Mpampihorohoro ireo mpandeha an-tongotra hariva eto an-dRenivohitra, mpanendaka telo lahy tra-tehaka. Nifanenjehana! Saron’ny polisy ny jiolahy telo, tetsy 67 ha, afakomaly. Malaza ratsy amin’ny fisiana asa fanendahana miharo fandratrana eny amin’ny fiantsonan’ny taxi-be 67 ha. Nanao hetsika manokana ny polisy ka samy nanao fanamiana sivily. Nandritra ny fisafoana, nifanehatra tamin’ny […]
Herisetra, famotehana fihariana… : miraviravy tanana ireo tantsaha ao Mampikony
Iray amin’ireo distrika mampihodina ny toekarena sy ny fihariana eto Madagasikara, amin’ny fambolena sy fiompiana, ny distrikan’i Mampikony. Misedra olana ireo tantsaha amin’izao fotoana izao, noho ny herisetra miaro famotehana ny fiharian’izy ireo, izay ataona andian’olona miditra sy manao an-keriny ary mandroba fambolena. Manoloana izany, nisy ny hetsika nataon’ireo tantsaha […]




