Hanomboka anio, ary haharitra hatramin’ny zoma izao, ny Bakalorea ho an’ny fampianarana ankapobeny sy ny dingana voalohany ho an’ny sampana teknika. Hanomboka amin’ny 6 ora sy sasany maraina ny fiantsoana anarana ho an’ny mpiadina Bakalorea, anio. Hiatrika ny taranja voalohany filôzofia, ny tapany maraina, ny mpiadina. Afaka nijery ny efitrano […]
Taratra
ASIEF 2023 : efa mizotra tsara ny fikarakarana
Mizotra tsara, araka ny tokony ho izy, ny fanomanana ny fifaninanana nasionaly 2023, eo anivon’ny Association sportive interministérielle pour l’entretien des fonctionnaires (Asief). Vonona amin’ ny 80 isan-jato, amin’izao fotoana izao, ny fikarakarana, araka ny nambaran’ny filohan’ny Asief, Andrianarison Jean Aimé (Jhone Love), ny sabotsy teo, nandritra ny famaranana ny […]
« Tournoi Inter ONG » : nanjakan’ny SOS Village d’enfants ny fifaninanana
Notanterahina tetsy amin’ny kianjan’ny St Michel Itaosy, ny sabotsy lasa teo, ny famaranana ny fifaninanana « Tournoi ONG 2023 », taranja baolina kitra. Nanjakan’ireo ankizy taizan’ny fikambanana SOS Village d’enfants Vontovorona ny fifaninanana. Norombahan’ izy ireo ny amboaran’ny sokajy « Cadet », « Junior » ary vehivavy. Ho an’ny sokajy […]
Lalaon’ny Nosy 2023 : miandry ny fampivondronana ireo atleta
Araka ny voalazan’ny tomponandraikitry ny fikarakarana ny lalaon’ny Nosy, tokony ho nanomboka ny zoma 15 jolay lasa teo ny fampivondronana farany sy miaraka ireo atleta hiatrika ny JIOI andiany faha-11. Tsy mbola nisy anefa hatramin’izao ny fampiantsoana ofisialy natao azy ireo. Misy ihany ireo izay manohy ny kotrana sy nomena […]
Kitra – « Telma Coupe »: resin’ny Ajesaia ny Dato FC
Mitohy ihany ny lalana ho an’ny ekipan’ny Ajesaia Bongolava. Tafita hiatrika ny dingan’ny ampahefa-dalana izy ireo, rehefa nandavo ny Dato FC, tamin’ny isa 1 no ho 0. Notanterahina ny sabotsy sy ny alahady 16 jolay lasa teo ny ampahavalon-dalana, fiadiana ny amboaran’i Madagasikara “Telma Coupe 2023”, taranja baolina kitra. Anisan’ireo […]




