Taratra

Handball – « IHF Trophy”: hifaninana amin’ny sehatra ambony ny Akio

Hotanterahina ny 8 hatramin’ny 12 aogositra ho avy izao, any Côte d’Ivoire, ny fifaninanana “IHF Trophy Conti­nen­tal”, sokajy vehivavy “Juniors” sy “Cadettes”. Anisan’ireo firenena mandray anjara amin’ izany i Madagasikara. Tsia­hivina fa tompondakan’ny « IHF Trophy Zone 6 » ny ekipam-pirenena vehivavy mala­gasy Akio “Cadettes” sy “Juniors”, izay notontosaina tany […]

Judo-Afrika « cadets & juniors »: 36 mianadahy ny solontena malagasy

Tsy misy fiovana fa hotanterahina eto Madagasikara, ny 27 hatramin’ny 30 jolay izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy Cadet sy Juniors, taranja Judo. Tsy niova koa, hatramin’izao, ny toerana hanatanterahana izany, araka ny fanazavana avy eo anivon’ny federasiona malagasin’ny Judo, fa ao amin’ ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ihany. […]

Basikety-Mada U14: hentitra amin’ny hala-taona ny tomponandraikitra

Nisokatra ofisialy, teny amin’ny kianja Barea Maha­­masina, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasi­kara, sokajy latsaky ny 14 taona lahy sy vavy, taranja basikety. Klioba 75 avy amin’ny ligy 17 no tonga mandray anjara. Tsy nahasakana ny tomponandraikitra eo anivon’ny federasiona malagasin’ny basikety, hampanjaka ny mangarahara, ny habetsahan’ny mpilalao mifaninana. Nampi­harina avy […]

TARATRY ny KANTO

Amin’izao fialantsasatry ny mpianatra izao : hovelomina etsy amin’ny Alliance Française Anta­na­narivo (Andavamamba) ny «Disney». I Odon sy Ilaina ary i Kanto no haneho izany miaraka amin’ireo ankizy ho tonga eny an-toerana. Seho hotanterahina ny 22 jolay izao, manomboka amin’ny 2 oa tolakandro. Hisongadina amin’izany ireo hira tian’ny ankizy na […]

Hakingana sy herim-batana ary hatsikana : nifehy ny « cirque » ny Graines de bitume

Fihetsika mahavariana, mety mampitaintaina mihitsy aza. Tao koa ny fihomehezana ! Natambatry ny ankizy sy ny tanora eo anivon’ny Grai­nes de bitume avokoa ireo fihetseham-po ireo, nandritra ny fampisehoana «cirque» notontosainy tetsy amin’ny Alliance Française Antana­narivo, ny faran’ny herinandro teo. Na milingilingy aza, kinga. Na mifampiankina aza, ma­tanjaka. Na mifanipy […]