Manoloana ny teny midina avy amin’ny tomponandraikitry ny oniversiten’Antananarivo fa tsy maintsy manampy ny sampandraharaha mikarakara ny fanadinana ireo mpianatra taona voalohany manomana “doctorat” ka hisahana andraikitra mandritra ny fanadinana bakalorea manomboka amin’ ny alatsinainy ho avy izao. Nanao fampahafantarana ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka (Seces), sampana Antananarivo, omaly, fa tsy […]
Taratra
BEPC: tsara ny vokatra ho an’ny faritra Atsinanana
Tsara ny voka-panadinana BEPC ho an’ny faritra Atsinanana, raha ireo efa nahazoana vokatra ofisialy. Ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana Toamasina I, nahatratra 60,76 % ny taham-pahafahana, raha 54,97% ny taon-dasa. 5 569 ny mpianatra voasoratra anarana ka 286 tsy tonga niatrika fanadinana. Nohamafisin’ny lehiben’ny fari-piadidiam-mpampianarana Toamasina I, Mara Sylvie fa nisy ny […]
Zava-mahadomelina : sarotra tsaboina ny fiankinan-doha
Niompana tamin’ny fiankinan-doha amin’ny zava-mahadomelina, ny antony sy ny voka-dratsiny, ny lohahevitry ny fivoriana siantifika fahavalo, omaly, teny amin’ny Akademia Malagasy, Tsimbazaza. Noho ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina, indrindra ny héroïne (rôrô), eto amintsika tato ho ato no nikarakaran’ny «Société malagasy de psychiatrie» (Somap) ny hetsika . Mitarika fiankinan-doha ara-batana sy ara-tsaina […]
Lycée any Toamasina: mpianatra 7 amin’ny 600 mandray héroïne
Tafiditra amin’ny fandraisana zava- mahadomelina ny tanora amin’izao fotoana izao. Tsy ny sigara sy ny toaka ihany fa hatramin’ny héroïne, araka ny fanadihadiana tany Toamasina. Hitan’ny tomponandraikitry ny «service psychiatrique» eo anivon’ny CHU Analakininina, Toamasina fa maro ny ray aman-dreny mitondra ny zanany hozahan’ ny mpitsabo satria manana olana any […]
Faritra Boeny: manameloka ny fivoizana ny LGBT
Namaky bantsilana ny fanamelohany ny fivoizana ankarihary ny resaka LGBT (Lesbiennes, gay, bisexuel et transgenre) ny governoran’ny faritra Boeny, Andriantomanga Mokhtar Salim, nandritra ny fananganan-tsaina nataon’izy ireo ny fiandohan’ity herinandro ity. Hentitra izy nilaza fa tafahoatra ny fanelezana ny resaka olona mitovy fananahana mivady sy ireo manova taovam-pananahana amin’ny haino […]




