Nandriaka indray ny ra teny amin’ny RN4. Mpitondra moto roa niara-maty raha nikasa hiakatra aty an-drenivohitra. Nifandona tamina karandalana iray… Namoy ny ainy teo no ho eo ireo roa lahy mpitondra moto tra-doza teo Manakambahiny, anatin’ ny kaominina Anosiala, PK 23 + 950, RN4, afakomaly. Nikasa hiakatra hihazo ny Renivohitra […]
Taratra
Fifandraisan-davitra: feno 12 tapitrisa ny mpanjifan’ny Telma
Tsy nolavovam-potsiny ny fotoana. Nampahafantatra ny fahafenoan’ny mpanjifa ao aminy ho 12 tapitrisa ny Telma, omaly. Notolorany fanomezana ilay tsara vintana nameo io isa io. Feno 12 tapitrisa, ny alakamisy 13 jolay 2023, ny mpanjifan’ny Telma. Araka izany, nisy ny hetsika ho fampahafantarana izany, omaly, teny amin’ny Campus Telma Andraharo. […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotontosaina ny sabotsy 15 jolay sy alahady 16 jolay ny fifidianana ho an’ireo “sections”, araka ny fanapahan-kevitry ny vaomiera misahana ny fifidianana eo anivon’ny Federasion’ny baolina kitra. Tsiahivina fa miisa dimy izy ireo no tsy mbola nahavita fifidianana. Anisan’izany i Brickaville, Mahanoro, Ambohimahasoa, Vohipeno, Ifanadiana. Hotanterahina manomboka anio hatramin’ny 23 […]
«Kitra – 1/8 Telma Coupe» : hifanandrina amin’ny Ajesaia ny Dato FC
Hotanterahina, anio sy rahampitso, ny ampahavalon-dalana ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara “Telma Coupe 2023”. Anisan’ireo lalao tena andrasan’ny maro ny fihaonan’ny Ajesaia Bongolava sy ny Dato FC Manakara. Fihaonana hotontosaina ao amin’ny kianjan’ Ambohidratrimo, ny alahady 16 jolay ho avy izao. Tsiahivina fa klioba roa mifaninana amin’ny fifaninanam-pirenena “Orange Pro […]
JIOI 2023- Aina Tombontsoako : «Mila ezaka mafy ny fangalana medaly»
Atleta malagasy, eo amin’ny taranja badminton, i Aina Tombontsoako. Anisan’ireo nanaraka fiofanana tany Chine izy ary mbola hisitraka ny fifampizarana hoentin’ireo Sinoa mpanazatra matihanina eto ihany koa, raha toa ka tafiditra ao anatin’ny atleta mendrika. Nohamafisin’i Aina fa tombony manokana ho azy, ny fahatongavan’ireto Sinoa hampiofana ireto satria manana traikefa […]




