Miha manakaiky ny daty hanatanterahina ny andiany faha-11 ny lalaon’ny Nosy, hatao eto Madagasikara. Ho feno tanteraka ny fandaharam-potoana amin’io herinandro ho avy io, ho fanomanana izany. Araka ny efa notaterina teto, hanomboka amin’io herinandro ho avy io, ny fampivondronana farany ho fanomanana ny lalaon’ny Nosy, ho an’ny atleta malagasy. […]
Taratra
VAOVAO TAMBATRA
Natao omaly, teny Nanisana, ny famolavolana ny tetikasa hampandrosoana ny sehatry ny jono sy ny toekarena manga any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. Tafiditra tao anatin’izany ny fivoriana niarahana tamin’ny tetikasa “Mionjo”, hanatanterahana ireo paikady hoentina mandrafitra izany. Nankalazaina, omaly, haharitra roa andro, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fizaran’asa sy ny […]
Toliara II : mitaky fampandrosoana ny mponina any Tsianisiha
Miha mitotongana ny fari-piainan’ny mponina any amin’ny kaominina Tsianisiha, distrika Toliara II. Notaterin’ny olobe any an-toerana, Ravahatrarivo Frankel, fa tsy afaka mamboly ny tantsaha satria tsy misy rano ny tany ambolena. Nisy ny toky nomen’ny orinasa Base Toliara fa hanohana ity kaominina ity. Anisan’izany ny namindrana ny fasana, izay voakasiky […]
Raharaha Cnaps : mitaky ny hanendrena ny DG ny mpampiasa
Miahiahy ny zava-miseho eo anivon’ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana ara-tsosialy (Cnaps) ny mpampiasa samihafa. Amin’ny alalan’ny Groupement des entreprises de Madagascar (Gem). Nitaky ny Conférence des travailleurs de Madagascar (CTM) sy ny Fivondronan’ny mpandraharaha malagasy (FIVMPAMA) ny hanendrena haingana ny tale jeneraly vaovaon’ny Cnaps. “Miteraka olana amin’ny fanatanterahana asa ny […]
Ankoatra ny lalam-pirenena : hamboarina ny lalana tena ratsy eto an-drenivohitra
Hanomboka ny fanarenana ny lalan-dratsy eto Antananarivo Renivohitra. Anisan’ny laharam-pahamehana toy izany koa ny lalam-pirenena faharoa, mankany Toamasina. Harenina ny ankamaroan’ireo lalana tena ratsy, taorian’ny fotoam–pahavaratra. Manampy ny lalam-pirenena, voakasik’izany manokana ny eto Antananarivo Renivohitra, izay tafiditra ao anatin’ny antsoina hoe asa vonjitaitra, satria tena ilaina sady maika ny hanaovana […]




