Araka ny loharanom-baovao, 8 lahy sy 8 vavy no handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, taranja lomano, hiatrika ny andiany faha-11 ny lalaon’ny Nosy. 30 anefa no tokony ho isan’ny hisolo tena an’i Madagasikara tany am-boalohany, raha ny fanazavan’ny Tale teknika nasionaly eo anivon’ny federasiona malagasin’ny lomano, Razafindrafidy Naivo. 16 ihany mantsy […]
Taratra
Tenisy ambony latabatra : “Expatriés” 5 hanao JIOI
Atleta malagasy, mila ravinahitra any ivelany, 5 no hanatevin-daharana ny ekipam-pirenena malagasy, hiatrika ny lalaon’ny Nosy, ho an’ny taranja tenisy ambony latabatra. Rakotoarimanana Fabio, Razafinarivo Antoine, Jonathan Nativel, Hanitra Karena ary Randrianarisoa Niantsa, izay efa manana “palmares” betsaka eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, izy ireo. Hanomboka ny 24 jolay ny fampivondronana […]
Kitra – Fifanintsanana «Mondial 2026»: iray vondrona indray i Madagascar sy i Ghana ary i Centrafrique
Fantatra avokoa ireo firenena miray vondrona amin’i Madagasikara amin’ny fifanintsanana ny hiatrehana ny «Mondial 2026». Hihaona ao indray ny Black Star Ghana sy ny Barea de Madagascar. Notanterahina tany Abidjan Côte d’Ivoire, omaly, ny antsapaka ho an’ireo firenena hifanintsana hiady ny toerana hiatrehana ny “Mondial 2026”. Ao amin’ny vondrona “I” […]
VAOVAO TAMBATRA
Mitohy hatramin’ny 31 jolay ny fetrandro farany fanaterana ny antontan-taratasy, famaliana antso amin’ny tetikasa GEF6-AMPs. Miompana amin’ny « fanitarana sy fanatsarana ny tambajotran’ny faritra arovana an-dranomasina eto Madagasikara » ny tetikasa. Vatsian’ny GEF vola. Nohavaozina ny mpikambana ao anatin’ny filankevi-pitantanan’ny Ofisy malagasin’ny akoranafo, “Office Malagasy des hydrocarbures”, (OMH). Tapitra ny volana avrily […]
Tetikasa Ambatovy : kaominina 14 nahazo Drafi-pampandrosoana
Nanampy tamin’ny fandrafetana ny Drafi-pampandrosoana ny kaominina (PCD) miisa 14 ny tetikasa Ambatovy. Natolotry ny filoha lefitra misahana ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana, Phillipe Beaulne, teny amin’ny Lapan’ny faritra Atsinanana, ny 29 jona teo izany. Misitraka ity PCD ity ny kaominina miisa 14, mandalo ny fantsombe miainga any Ambatovy Moramanga hatrany […]




