Manomboka mandefa ny ray aman-dreny eny amin’ny toerana mitaiza zokiolona ny Malagasy. Tsy kolontsaina saingy noho ny fahasahirana no voalaza fa mahatonga izany. Manomboka eo amin’ny faha-65 taonany. Azo lazaina ho zokiolona ny olona iray rehefa mila fanampiana sy tohana eo amin’ny fianakaviany sy ny fiarahamonina, raha ny nambaran’ny fikambanana […]
Taratra
FANTINA sy FINTINA
Hanao fitsidihana ifotony any amin’ny Nosy Sainte Marie, faritra Analanjirofo, ny filohan’ny Repoblika, manomboka anio ka hatramin’ny rahampitso. Nambaran’ny fampitam-baovao eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika fa hitokana fotodrafitrasa maro ny tenany. Tafiditra amin’ny fampiroboroboana ny fizahantany, mampalaza ity Nosy ity, izany. Hitafa amin’ny vahoaka malagasy ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, […]
Fanahiana krizy : manana vahaolana hisorohana korontana ny Arema
Nanolotra volavolan-dalàna teny amin’ny Antenimiera, teny Tsimbazaza, momba ny lalàm-pifidianana ny Arema, afakomaly. Natao hisorohana ny mety ho fifandirana sy ny korontana izany, araka ny nambaran’izy ireo. Voarakitra ao anatin’ny tolo-kevitra ny hampiasana ny « Machine à voter” sy ny fampiasana ny “Carte biométrique ». Nambaran’ny Pr Andrianarisoa Ange fa […]
Tsy mifampatoky intsony
Mivadika ho vontoatin’adihevitra sahady ilay volabe, anto-bola 200 tapitrisa Ariary ho an’izay manam-paniriana ho kandidà filohan’ny Repoblika. Misy amin’izay efa nanao fanambarana hofidiana no milaza fa mihoapampana izany. Mangataka ny hamerenana azy amin’ilay taloha, ho 50 tapitrisa Ariary. Asa mety hampiverin-dalana izay nanam-pahavononana ve izany ? Iaraha-mahalala fa efa samy […]
Raveloson Constant: “Ahina ny fifampihantsiana hiteraka savorovoro”
Nitondra ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena, ny mpandinika ny raharaha politika, Raveloson Constant. Anisany nohazavainy ny momba ny fifidianana sy ny mety hambaran’ny filohan’ny Repoblika, i Andry Rajoelina. Nambarany tamin’izany fa misy fandrika marivo tototra ny datim-pifidianana navoakan’ny governemanta io ka voajono amin’izany ireo rehetra voan’ny tazon-tseza. “Sahirana ny filoha […]




