Taratra

“Festival Somarôho”: hisy mpanakanto efatra avy any ivelany

Hiditra amin’ny andiany faha-10 ny “Festival Somarôho”. Hanatevin-daharana ireo mpanakanto avy eto an-toerana ry zareo avy any ivelany. Efatra ireo vahiny handray anjara mandritra ny “festival”. Haharitra roa herinandro, manomboka ny 2 jolay-13 aogositra ny festival “Somarôho Océan Indien”, andiany faha-10. Hotantera­hina any Nosy-Be Hell Ville, karakarain’ny tarika Wawa ny […]

FANTINA sy FINTINA

Notendren’ny Papa Fransoa, omaly, ho evekan’ny diosezin’Antsirabe ny Mgr Andriantsoavina Jean Pascal. Eveka mpanampy eto amin’ny diosezin’ Antananarivo nanomboka ny jolay 2019. Tsiahivina fa hisolo tena ny Fivondronamben’ny eveka eto amintsika any amin’ny synaoda any Roma ny tenany ny oktobra izao. Hotanterahina etsy amin’ny FLM Ambato­vinaky, rahampitso, ny fakan-kevitry ny […]

Diplaomasia Madagascar-Chine : hisy ny fanararaotra ho an’ny sehatra tsy miankina

Nihaona tamin’i Wang Yi, talen’ny birao misahana ny raharaham-bahiny any Chine, ny delegasionina malagasy notarihin’i Yvette Sylla, minisitry ny Raharaham-bahiny ma­lagasy. Fitsidihana an’i Chine ny 30 jona 2023 hatramin’ny 2 jolay 2023. Fanamafisana ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta no vontoatin’ny resaka tamin’izany. Nisy koa ny dinika mahakasika ny fivela­ran’ny fiaraha-miasa […]

Mirefarefa ny adihevitra!

  Mbola resabe hifandroritana mandrak’izao ny momba ilay zom-pirenen’ny filohan’ny Repoblika. Ny manahirana, mibirioka ny ady hevitra. Mivadika zava-dratsy, mirona any amin’ny fifankahalana lalina. Zary vontoatin-tsera­sera hoentina mifamono ankolaka na mivantana mihitsy. Na mpanohitra na mpanohana fitondrana mpamono afo, lasa mitady hirika hanapotehina olona fa tsy foto-kevitra na firehana politika. […]