Nidina ifotony teny Antohomadinika Atsimo ny sekreteram-panjakana misahana ny Toeram- ponenana, Andriamanohisoa Gerard, sy ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Andriantsitohaina Naina, ny faran’ny herinandro teo. Namaly ny fangatahan’ny mponina teny an-toerana izy ireo. Nihaino mivantana sy nitondra fitoniana ho an’ireo mponina ny roa tonta mikasika ny lamina eo amin’ny tany honenany. Miandry […]
Taratra
Fanadinana BEPC : betsaka ny Cisco efa namoaka ny vokatra
Am-polony ireo Cisco efa namoaka ny voka-panadinana BEPC hatry ny sabotsy teo. Anisan’izany ny Cisco Ambatomainty, Ambohidratrimo, Andramasina, Anjozorobe, Antanifotsy, Befotaka, Beloha, Beroroha, Faratsiho, Iakora, Ifanadiana, Mandoto, Manjakandriana ary Morafenobe. Miandry ny fivoahan’ny vokatra ny mpiadina eto Antananarivo Renivohitra. Hivoaka amin’ny herinandro ny vokatra, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra. Eo am-pamindrana […]
Tezitra ny Seces : miato ny fampianarana eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo
Feno ny kapoaka! Mampiato ny fampianarana ny Seces, anio. Hitohy amin’ny fitokonana fanairana mandritra ny 72 ora izany raha tsy misy ny vahaolana hatramin’ny rahampitso. Miato tanteraka ny fampianarana rehetra eny amin’ny oniversiten’ Antananarivo, anio, araka ny fanapahan-kevitry ny Seces. Tsy nisy ny finiavana avy amin’ny fitondram-panjakana amin’ny famahana ny […]
Rugby – XXL Top 20: Fantatra avokoa ireo hiatrika ny manasa-dalana
Tontosa omaly, teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ireo lalao ampahefa-dalana efatra, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 20”. Fantatra avokoa ireo ekipa efatra tafita amin’ny manasa-dalana dia ny FTM Manjakaray, ny Cosfa ny Uscar ary ny 3FB. Nivoaka sempotra ny Uscar vao nandresy ny TFA, tamin’ny isa […]
JIOI 2023 : mahatratra 497 ny atleta hifaninana
Efa samy nilaza ny isan’ny atletany handray anjara amin’ny lalaon’ny Nosy avokoa ireo federasiona tsirairay, na dia mbola eo am-panaovana ny fitiliana aza. Raha natambatra ny isa avy amin’ireo taranja 25, manodidina ny 497 eo ny atleta malagasy hiatrika ny lalaon’ny Nosy 2023, hatao eto Madagasikara, raha tsy misy ny […]




