Taratra

VAOVAO TAMBATRA

60 taona niarovana ny tontolo iainana eto amintsika ny WWF Madagasikara. Faritra efatra no iasany : ny tontolo an-dranomasina any avaratry ny lakandranon’i Mozambika, ny tontolo an-tanety any avaratry ny Nosy, ny tontolo an-tanety sy an-dranomasina any Manambolo Tsiribihina ary ny tontolo an-tanety sy an-dranomasina any Mahafaly. Anisan’ny nanatrika ny fihaonambe […]

SERANAn’ehoala: efa nisy sambo 65 niantsona

Fiaraha-miasan’ny fanjakana malagasy sy ny orinasa Rio Tinto ny nanamboarana ny seranan-tsambon’Ehoala any Taolagnaro. Tao anatin’ny tetikasa “Pôle intégré de croissance (Pic)”, na Tendro ifotony hisian’ny fitomboana ara-toekarena. Vita ny taona 2009, entina hivezivezen’ny entana sy ny vokatra ilain’ny faritra sy ny manodidina, sady ho an’ny fizahantany koa. Anisan’izany ny […]

Mari-pankasitrahana B Corp : banky niomerika voalohany ny MVola

Miroborobo ny tolotra ara-bola omen’ny orinasa MVola. Nanamarina izany ny nahazoany loka iraisam-pirenena, entiny hanohizany ny ezaka. Nahazo ny mari-pamantarana iraisam-pirenena B Corp ny orinasa MVola. Izy no mpisehatra amin’ny sehatra ara-bola voalohany nahazo izany eto Madagasikara ary faharoa aty Afrika. Manamarika ny fahamatoran’ny MVola, nanomboka ny niforonany ny taona […]

INDRAY MIJERY

Nanatanteraka fanadiovana faobe teny amin’ny “campus universitaire” Andrainjato ny fivondronamben’ny mpianatra mipetraka eny sy ireo mpampianatra ary mpandraharaha ao an-toerana. Oniversite ho lavitry ny korontana sy hanjakan’ny fihavanana no tarigetra. Nandray ireo solontenan’ny mpivarotra eny amin’ny Petite Vitesse ny ekipan’ny sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, ny faran’ny […]