Taratra

Ravalomanana Marc: “Mikatso tanteraka ny fiainan’ny firenena”

Naneho ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena, ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, omaly, teny Faravohitra. Notsikerainy tamin’izany ny fomba fitondrana ankehitriny. “Mikatso tanteraka ny fiainam-pirenena ary tsy misy mandeha amin’ny laoniny intsony eto”, hoy ny filoha mpanorina ny Antoko Tiako i Mada­gasi­kara (Tim), Ravaloma­nana Marc. Nohamafisin’ity filohan’ ny Repoblika teo […]

TSELATRA

Hataraina ny an’ireo olona teny amin’ny manodidina an’Anosy, omaly, nahita tovovavy iray tsy salama saina niboridana nivezivezy teny amin’ny arabe. Tsy fantatra mazava ny mombamomba azy fa izy efa nisasa tao anaty ranom-potaka no hitan’ny olona. Mitabataba tsy misy toy izany izy. Niezaka nanome akanjo sy nanala azy ny olona, […]

Noho ny delestazy : mirongatra ny asan-jiolahy mandeha moto ao Toamasina

Saika isan’andro! Miron­gatra izaitsizy ny tsy fandriampahalemana ao Toamasina mandritra ny fahatapahan-jiro lavareny any an-toerana. Mi­taintaina sy mandry andriran’ antsy hatrany ny mponina manoloana izany. Ny talata hariva teo, nirefotra ny poa-basy tao Anjoma, manoloana ny biraon’ny APMF. Voaro­ban’ny andian-jiolahy nanao taingin-droa nandeha moto ny renim-pianakaviana iray nitondra moto “Cygnus […]

Efa mpamerin-keloka : fito lahy mpangalatra voasambotra

Mpangalatra fito lahy tra-tehaky ny zandary tao Ambato­lampy, afakomaly. Nampitaraina ny mponina manodidina, mirongatra ny halatra kisoa sy omby. Nanao vela-pandrika ny zandary miasa ao an-toerana. Lehilahy malaza ratsy amin’ny halatra biby fiompy no tra-tehaka teo am-pamonoana kisoa. Nahitana omby koa teo aminy nalahatra ho vonoina. Olona iray hafa voasaringotra […]